• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tongolo be na « oignon » : ireo ady gasy azo ampiasaina azy

27/09/2023 13:06 © Moov.Mg

Ny tongolo be na « oignon » dia mitahiry singa maro manampy amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Tsy mahagaga noho izany raha maro ireo fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana amin’ny fomba ady gasy hampiasana azy ireny. Araho ‘nge e !

Fanafody natoraly hampitoniana ny kohoka

Tsy vitsy ny Malagasy mampiasa ny tongolo be na « oignon » hampitoniana ny kohoka, indrindra eo amin’ny ankizy. Tsotra ny fampiasana izany ary tsy misy atahorana hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana noho izy akora natoraly. Alaina ny tongolo be lehibe roa sy ilay mena tsara iny. Voasana ary tetehina fisaka atao boribory na hoe « en rondelles ». Atao anaty « bol » na lovia kely jobo ary rarahana siramamy roa sotro fihinanana. Saromana ary avela mijanona eo mandritra ny ora roa na telo mba hitera-drano. Ilay ranony iny no omena ilay ankizy mikohoka amin’ny fatrany iray sotro fihinanana, in-telo isan’andro.

Fomba natoraly mampisinda ny orona jenjina sy ny sery

Matetika rehefa voan’ny sery ny olona iray dia jenjina be tsy afaka miaina ny orona. Ny tongolo be dia manankarena singa miady amin’ny viriosy ka manampy betsaka amin’ny fampisindana ny sery. Alaina ny tongolo be lehibe ilay mena tsara iny. Voasana ary tetehana boribory manify. Apetraka eo ambony lovia kely ary atao eo an-doha fandriana rehefa matory amin’ny alina. Mitony ary afaka ho azy ilay jenjina be amin’ny orina. Maty ihany koa ireo viriosy ka tsy hifindra amin’ny olona ao an-trano ilay sery.

Lire la suite

Articles Similaires