• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Yahoo Actualités
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana rano : tandremo fa mety mahafaty ny zaza

27/09/2023 10:25 © Moov.Mg

Ny 60 hatramin’ny 75% ny lanjan’ny zazakely dia rano avokoa. Raha sanatria tratry ny tsy fahampiana rano na « déshydratation » ny zazakely dia mety hiteraka vokadratsy eo amin’ny fahasalamany izany ary hitarika hatrany amin’ny fahafatesana raha tsy voatsabo ara-potoana. Ahoana ary no ahafantarana zazakely tsy ampy rano ary inona tokony atao manoloana izany ?

Ireo antony mahantonga ny zazakely tsy ampy rano

Alohan’ny hiresahana ny fomba ahafantarana zazakely tsy ampy rano dia mila fantarina aloha ireo antony mety mahatonga izany tsy fahampiana rano izany. Marihana fa ny nono, ny sakafo ary ny rano no mitondra rano amin’ny vatan’ny zazakely. Ny nono sy ny solon-dronono no mitondra izany ho an’ny zaza latsaky ny enim-bolana.
Etsy andaniny moa dia mamoaka rano betsaka ihany koa ny vatan’ny zaza. Mivoaka amin’ny alalan’ny fivalanan-drano, kakà, hatsemboana sy ny ranomaso moa izany. Raha toa ka voalanjalanja tsara ny rano miditra sy mivoaka amin’ny vatan’ny zazakely dia tsy ho tratry ny « déshydratation » izy.
Misy ihany koa nefa ireo anton-javatra hafa maha very rano betsaka amin’ny vatan’ny zaza, rehefa mivalana, mandoa, tsemboka be loatra vokatry ny hafanana be loatra na ny fanaviana… Mety ho lasa tsy ampy rano ny zazakely raha toa ka be loatra ny rano very nefa tsy voaverina ao amin’ny vatany.

Ireo fomba ahafantarana zazakely tsy ampy rano

Maro ireo fambara afahatantarana zazakely tsy ampy rano na manao « déshydratation ». Rehefa tsy ampy rano ny zazakely dia lasa :
Mahalana be vao mivalan-drano ary lasa kely sy mavomavo be tsy toy ny isan’andro izany ;
mitomany lava nefa zara raha mamoaka ranomaso no sady kely ny feony ;
maina ny molotra sy ny hoditra ;
maina sy milentika ny eo ambany maso ;
rehefa tsongona ny hoditra dia mijanona eo ilay miforitra kely fa tsy miverina ho azy ;
milentika ny hoditra eo amin’ny lohamalemy ;
mihena be ny lanja ;
malemilemy sy tsy mihetsiketsika firy.
Raha toa ka efa tena tsy ampy rano ilay zazakely na tratr’ilay atao hoe « déshydratation sévère » dia mety hifanintona.

Ahoana no atao raha tratry ny déshydratation ny zazakely ?

Raha ahitana vitsivitsy amin’ireo fambara voalaza teo ambony ireo ny zazakely dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Ity farany no manome ny fitsaboana sahaza ny zazakely tsy ampy rano. Ho an’ny zaza enim-bolana no miakatra dia azo atao ny manome SRO (Solution de Réhydratation Orale) azy mandrapahatonga any amin’ny mpitsabo.
Ny zaza mivalana sy atahorana ho lasa tsy ampy rano no homena izany. Jifaina any amin’ny farmasia ary tsy mila « ordonnance » ny SRO. Tsotra ny fampiasana izany ary efa azavaina eo amin’ny fonony. Azo atao ihany koa ny manome ilay ataontsika hoe « 1 sy 8 » ny zaza raha tsy manana SRO na tsy afaka mividy izany. Afangaro ny rano madio (avy nampangotrahana) 1L, siramamy 8 sotrokely ary sira 1 sotrokely. Io no omena tsikelikely atao rano fisotron’ilay zaza.

Lire la suite

Articles Similaires