• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsakitsaky matsiro : fomba tsotra fanaovana « croustillant au lait »

26/09/2023 15:24 © Moov.Mg

Anisan’ny tsakitsaky na ody ambavafo matsiro ary sahaza ny ankizy sy ny lehibe ny « croustillant au lait ». Nahandro mora karakaraina izy ity ary tena ankafizin’ny ankizy tokoa. Araho ary ny fomba fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « croustillant au lait »

-Dibera 80g ;
-Lafarina 100g ;
-Ronono 500g ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Fromage 50g ;
-Jambon notetehana mandinika 100g ;
-Atody 2 ;
-Chapelure.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Atsonika anaty lapoaly ny dibera avy eo arotsaka ny lafarina. Aroana tsara ary atao malefaka ny afo. Arotsaka tsikelikely ny ronono no sady afangaro amin'ny « fouet » hatrany mba tsy hisy hivaingambaingana. Asiana sira sy dipoavatra. Andrahoana mandritra ny 3 hatramin'ny 5 minitra mandrapaharitra azy. Manarak’izay dia alefa ao ny « jambon » voatetika madinika sy ny « fromage » voakiky. Atao anaty « saladier » ny fangaro rehetra, saromana « papier film » ary avela hipetraka ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Rehefa vita izay dia avoaka ilay fangaro somary lasa mafimafy ary tetehana atao 10 na 12. Avy eo volaina atao boribory na somary lavalava, arak’izay tiana. Manarak’izay dia ajoboka kely anaty atody voakapoka, avy eo rakofana « chapelure ». Etsy ankilany, afanaina ny menaka ary arotsaka ao ny « croustillant ». Endasina mandritra ny 3 hatramin’ny 4 minitra. Rehefa miova somary mendimendy ny lokony dia vita ny nahandro. Tsihifina dia atao eo ambony « papier absorbant » na « serviette à jeter » dia aroso mafana ny « croustillant au lait ».

Lire la suite

Articles Similaires