• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Landema
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Massage relaxant » : Mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana

26/09/2023 11:43 © Moov.Mg

Misy karazany maro ny fanorana ka ny « massage relaxant » na « massage bien-être » no handeha ho resahana eto. Efa maro ireo toerana azo anaovana izany karazana fanorana izany raha ny eto Antananarivo manokana no resahana. Fa inona tokoa moa izany « massage relaxant » izany ary inona avy ny vokatsoa azo avy amin’izany ?

Inona no atao hoe « massage relaxant » ?

Ny « massage relaxant » dia ilay karazana otra atao amin’ny vatana iray manontolo mba hampitony ny havizanana ara-batana sy ara-tsaina. Eny amin’ireny « salon de massage » ireny moa matetika no hanaovana izany karazana otra izany. Misy ihany koa nefa ny mpanotra sasany no manantona any an-trano. Raha ny tokony ho izy dia mpanotra nianatra sy nandalina ny fanaovana massage relaxant no tokony hanao ity karazana otra ity.
Amin’ny ankapobeny dia ny faritra misy hozatra eo amin’ny vatana sy ny manodidina ny vanin-taolana no orina tsara mandritra ny massage relaxant. Tsy kitihana amin’izany ny faritry ny kibo sy ny nono. Arakaraky ny faritra orina sy ny havizanan’ilay olona no mahamora na mahamafy ilay fanorana. Raha matihanina ny mpanotra dia maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny massage relaxant.

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny massage relaxant

Maro ny olona manantona ireny salons de massage ireny mba hisitraka ireo vokatsoa maro azo avy amin’ny massage relaxant. Anisan’izany ny :

Fampitoniana ny fanaintainana vokatry ny havizanana

Rehefa vizaka ny vatana dia lasa mahatsiaro manaintaina ny hozatra rehetra sy ny lamosina. Manjary lasa mavesabesatra eo amin’ny soroka, torovana ny sandry, manakotsako ny tongotra… Ny massage relaxant dia mampitony ireny karazana fanaintainana amin’ny hozatra ireny ary mampisinda ny vesatry ny havizanana amin’ny vatana. Tsy hoe lasa mitombo hery avy hatrany ilay olona fa lasa mahatsiaro maivamaivana kosa nefa izy aorian’ilay otra.

Mampihena ny rarin-tsaina

Rehefa mandray otra ny vatana dia miakatra ny hafanana ao aminy ka mahatsiaro tena mahazo aina sy mitony ilay olona. Rehefa mitony ny vatana dia milamina tsara ny fitempon’ny fo. Izany dia miteraka fitoniana ara-batana, fa indrindra ara-tsaina. Misinda moramora ny fikorotanan’ny saina miteraka rarin-tsaina. Ity karazana otra ity ihany koa dia mampitombo ny famokaran’ny vatana ireo « hormones » atao hoe « sérotonine » sy « dopamine ». Ireto farany no mahatonga ny olona ho falifaly sy miaro azy amin’ny fahatrohan’ny saina.

Lire la suite

Articles Similaires