• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Recettes De Virginie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « pudding » tsotra sy matsiro

22/09/2023 15:55 © Moov.Mg

Karazana mofomamy mora atao ary tena betsaka mpankafy ny « pudding ». Anisan’ny mofomamy azo atao matetika ao an-trano izy ity satria tsy lafo vidy ny zavatra ilaina amin’ny fanamboarana azy. Araho ary ny fikarakarana sy ny fandrahoana pudding.

Ireo zavatra ilaina raha hanao pudding

-Mofo (tsara kokoa raha efa nialin’andro na hoe « pains rassis ») 200 gr ;
-Atody 4 ;
-Ronono 50sl ;
-Raisins secs (izay fatra tiana) ;
-Rhum (toaka) kely handomana ny raisins secs ;
-Lalovay simika 1 sotrokely ;
-Menaka na dibera noempoina 1 sotro fihinanana ;
-Dibera sy lafarinina ahosotra ny lasitra ;
-Siramamy (afaka tsy asiana raha tsy tiana ho mamy).

Fomba fikarakarana ireo fangaro

Lomana amin'ny ronono ny mofo (voatetika na tsia) dia ampiana siramamy. Kapohana ny atody dia arotsaka ao anatin’ilay ronono sy mofo nolomana. Rehefa malemy tsara ny mofo dia potehina amin’ny sotro. Arotsaka ny lalivay simika ary aroharoana tsara. Etsy andaniny lomana ao anatin’ilay rhum ny raisins secs. Rehefa hita fa somary mitombo habe na mibontsina ireto farany dia esorina sy havela hitsika anaty vera.
Manarak’izay, osorana dibera ny lasitra ary arotsaka ao ny antsasaky ny fangaro. Araraka eo ambonin’izany ny ampahan’ny raisins secs. Arotsaka manaraka indray ny fangaro sisa ary rarahana eo ambony ny raisins secs ambiny.

Fomba fahandro azy

Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C. Maharitra eo amin’ny 45 minitra eo ny fahamasahany.
Raha tsy manana lafaoro vazaha dia afaka mampiasa lafaoro gasy. Izany hoe vilany asiana fasika no atao lafaoro. Afanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe eo ambony mba hahazo hafanana tsara ny nahandro ao anaty vilany. Mila jerena matetika satria tsy voafehy mazava ny hafanana ao amin’ity karazana lafaoro ity. Tsindromina amin’ny antsy ilay pudding ka rehefa tsy misy manaraka intsony dia masaka izy izay.

Lire la suite

Articles Similaires