• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senego.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra momba ny aretina mamany lava na « fistule obstétricale »

22/09/2023 11:45 © Moov.Mg

Maro ny vehivavy voan’ny mamany lava no voahiliky ny fiarahamonina nohon’ny fofona aterak’ilay aretina. Ny ankamaroan’izy ireny moa dia misitaka ny fiarahamonina noho ny henatra. Fantaro nefa fa tsy tokony misy mahamenatra ny voan’ny mamany lava ary azo atao tsara ny mitsabo izany.

Inona no atao hoe aretina mamany lava ?

Ny aretina mamany lava na fistule obstétricale dia aretina vokatry ny fahavakisan’ny tatavian’ny vehivavy eo am-piterahana. Rehefa sarotra loatra ny fiterahana dia voatsindrin’ny lohan’ny zaza ilay tatavia ka izay no antony iray mety mahatonga ilay fahavakisana. Ny vehivavy saro-piterahana mila fandidiana (césarienne) nefa tsy nanao izany matetika no tratry ny fahavakisan’ny tatavia.
Raha ny marina kokoa moa dia faritra iray eo anelanelan’ny tatavia sy ny fivaviana no mitarika ny aretina mamany lava. Raha izay no mitranga dia lasa tsy mahatazona ny fivalanan-drano intsony ilay vehivavy. Mety ahitana izany faharovitana izany ihany koa ny faritra eo anelanelan’ny fivaviana sy ny fivoahan’ny maloto.

Ny fomba fiseho sy ny fiantraikan’ny aretina mamany lava

Araky ny voalaza teo ambony dia tsy mahavita mitazona ny fivalanan-drano intsony ny vehivavy voan’ny mamany lava. Raha eo amin’ny faritra anelanelan’ny fivaviana sy ny fivoahan’ny maloto no misy ilay fahavakisana na faharovitana dia lasa mivoaka eo amin’ny fivaviana ny maloto.
Arak’izany dia maro ny vokadratsin’ny mamany lava eo amin’ny vehivavy voan’izany. Lasa misy fofona ratsy foana eny aminy ankoatra ny fanaintainana vokatr’ilay faharovitana sy ny aretina hafa mety hahazo azy toy ny « infections », aretin’ny voa, tsy fahafahana miteraka intsony… Mety mitarika amin’ny fahafatesana ihany koa ny aretina mamany lava raha toa ka tsy voatsabo.
Misy fiantraikany ara-tsaina ho an’ilay vehivavy ihany koa izany aretina izany. Nohon’ny fofona ratsy aminy dia lasa voahilikilika sy menatra ny fiarahamonina izy ireny. Maro noho izany no mandeha misitaka ny fianakaviany sy ny manodidina azy noho izany fahamenarany izany. Mijaly ara-batana ary indrindra mijaly ara-tsaina ny vehivavy tratry ny mamany lava ka manjary lasa voan’ny fahaketrahana, mamoy fo…

Azo tsaboina ny aretina mamany lava

Azo tsaboina amin’ny alalan’ny fandidiana ny aretina mamany lava. Raha ny eto Madagasikara manokana dia efa maro ireo tobim-pahasalamana afaka manatanteraka izany fandidiana izany. Misy ihany koa ireo fanentanana na « campagnes » samihafa hiarahan’ny Ministeran’ny fahasalamana amin’ny mpiara-miombonantoko samihafa amin’ny fandidina maimaimpoana ireo vehivavy voan’ny mamany lava.
Hanatanteraka izany fandidiana maimaim-poana izany ny ao amin’ny Pavillon Sainte Fleur ny 09 oktobra 2023 ho avy izao ka hanentanana ireo vehivavy voan’ny mamany lava mba hanantona eny an-toerana. Izany fanentanana izany dia fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalamana, ny UNFPA, Opération Fistula Madagascar, ary ny Ordre de Malte – Pavillon Sainte Fleur.

Lire la suite

Articles Similaires