• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipédia
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fisotroana kafe : tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana ve ?

22/09/2023 10:47 © Moov.Mg

Anisan’ny zava-pisotro maro mpankafy tokoa ny kafe. Misy ireo misotro tsindraindray ary misy ihany koa ireo misotro matetika ao anatin’ny tontolo andro. Tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana ve ny fisotroana kafe ? Inona ny vokatsoa ary mety ho vokadratsin’izany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ?

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fisotroana kafe

Ny kafe dia mitahiry singa iray antsoina hoe « caféine ». Maro ny vokatsoa entin’ity farany ho an’ny vatana. Anisan’izany ny fampitomboana ny fifantohana sy ny fampitoniana ny vatana sy ny saina. Ny « caféine » ihany koa dia mampihena ny aretina an-doha eo amin’ireo olona marary an-doha matetika.
Ahitana « antioxydants » ihany koa ao anatin’ny kafe. Ireto farany dia manatsara ny fiasan’ny sela ao amin’ny vatana ary miaro azy ireo tsy ho mora simba. Noho izany, ny fisotroana kafe iray kaopy isan’andro dia manampy amin’ny fisorohana ny karazana aretina maro toy ny homamiadana, ny aretin’ny fo, ny fahatapahan’ny lalan-drà, diabeta…
Ny kafe ihany koa dia mitahiry singa mampitombo ny hery sy ny fahakingana eo amin’ny vatana sy ny saina. Rehefa avy misotro kafe ny olona iray dia lasa mavitribitrika, misinda ny harerahana, afaka ny hakamoana mandalo… Ny fisotroana kafe iray kaopy tsy misy siramamy isan’andro no voalazan’ny mpikaroka fa mety mitondra ireo karazana vokatsoa notanisaina ireo. Manampy amin’ny fampihenana vatana ihany koa moa izany.

Misy lafy ratsiny ihany koa ny fisotroana kafe

Mety misy ihany koa ireo vokadratsin’ny fisotroana kafe, indrindra raha be loatra ny kafe sotroina ao anatin’ny tontolo andro. Raha misotro kafe mihoatra ny 2 na 3 kaopy isan’andro dia mety harary an-doha ny olona efa taizan’ny aretin’an-doho.
Marihana fa mety miteraka fiankinan-doha ihany koa ny kafe. Lasa tsy mahavita mifantoka, tsy mavitrika, toa ny tsy mahavita ninoninona, kizitina… ilay olona raha tsy misotro kafe ao anatin’ny ray andro na koa raha tsy ampy ny fatra sotroiny.
Ny fisotroana kafe matetika sy betsaka loatra ihany koa dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny vatana. Mety ho lasa mangovingovitra ilay olona, midoboka mafy sy haingana ny fony (palpitations), lasa misy tosi-drà ambony… Ny kafe asiana siramamy ihany koa dia mety hitarika aretina samihafa, toy ny diabeta, ny aretin’ny voa…

Lire la suite

Articles Similaires