• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Local À Pizza
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana ny « pâte à pizza »

21/09/2023 17:04 © Moov.Mg

Efa misy ankehitriny ny « pâte à pizza » efa vonona izay vidiana eny amin’ny tranombarotra lehibe eny. Azo atao tsara ary mora vidy kokoa nefa ny manamboatra izany ao an-trano. Araho anie e !

Ireo akora ilaina raha hanamboatra pâte à pizza

Lafarina 250g ;
Levure boulanger 7g ;
Sira 2 tsongo tanana ;
Siramamy iray tsongo tanana ;
Menaka 1iray sotro fihinanana ;
Rano matimaty tapakan'ny kopy (izany hoe sady tsy mafana be no tsy mangatsiaka).

Ny fomba fikarakarana azy :

Afangaro anaty koveta na saladier ny lafarina sy ny sira ary ny siramamy. Arotsaka ao anatin’ilay rano matimaty ny levure ary afangaro tsara. Rehefa avy eo dia arotsaka ao ny lafarina ary atao izay hahalasa "pâte" ny fangaro rehetra . Rehefa mitambatambatra ilay pâte dia arotsaka ny menaka.
Volavolaina hatrany sady atao boribory ny pâte ary fonosina lamba. Avela anaty baolina mandritra ny 30 minitra mba hitombo. Rehefa vita izay dia fisahana ilay pâte ary atao boribory
na efajoro, arakaraka izay itiavana ny endriky ny pizza.

Lire la suite

Articles Similaires