• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio Don Bosco
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ny aretina « Cysticercose »

21/09/2023 15:55 © Moov.Mg

Aretina vokatry ny kakana efa rentsika matetika ny « cysticercose ». Ny fihinanana hena tsy masaka tsara na legioma tsy voadio tsara no fantatra fa mety hahazoan'ny olona iray ity aretina ity. Fa inona tokoa ny aretina cystirecose ? Ahoana ny fisehony ary inona no fomba fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina cystirecose ?

Ny cysticercose dia aretina iray vokatry ny fipetrahan’ny kakana iray atao hoe « Tenia Solium » na kakam-pisaka ao anatin’ny vatan’olombelona. Ny fihinanana sakafo toy ny hena manta na tsy masaka tsara, ny legioma tsy voadio tsara na rano tsy nampangotrahana no mahatonga izany aretina izany. Ireo karazana sakafo voalaza ireo tokoa mantsy dia mety ahitana ny atodin’ny Tenia Solium. Rehefa tafiditra ao am-bava ireto farany dia midina any amin’ny vavony sy ny tsinay. Rehefa mipetraka elaela ao amin’ny tsinay ireo atody dia foy ka mivadika « larves ».
Tsy ny atodin’ny kakam-pisaka izany no miteraka ilay aretina cysticercose fa ireo « larves ». Ireto farany dia afaka mivelona ao amin’ny nofo, ny hoditra, ny maso na ao amin’ny atidoha. Misy ihany koa ireo atody tsy foy tao amin’ny vatan’ny olombelona ka mivoaka any amin’ny malotony. Raha manao maloto any an-kalamanjana ilay olona dia mety hanaparitaka ny aretina satria mety ho lasa eny amin’ny rano mandeha na mety hoanin’ny kisoa mirenireny izany maloto misy atodin’ny kakam-pisaka izany.

Ahoana ny fisehon’ny aretina cysticercose ?

Amin’ny ankapobeny dia miseho araky ny toerana misy ilay Tenia Solium ao amin’ny vatana ny fisehon’ny aretina cysticercose. Raha ao amin’ny atidoha no misy ny kakam-pisaka dia mety harary an-doha, hifanintona, tsy hahatsiaro tena matetika, hiakatra ny tosi-drà ao amin’ny loha na halemy tampoka ny vatanan’ilay olona voan’ny cysticercose. Raha any amin’ny lalan-drà no mipetraka ilay kakam-pisaka dia mety hiakatra ny tosi-drà. Raha toa kosa ka any amin’ny maso no misy azy dia lasa mihena ny fahitana ary mety hiafara amin’ny fahajambana tanteraka raha tsy voatsabo ilay cysticercose.
Marihana fa tsy voatery mitovy ireo fambaran’ity aretina ity eo amin’ny olona rehetra. Misy tokoa mantsy ireo olona tsy hahitana soritr’aretina mihitsy nefa misy ilay kakam-pisaka ao amin’ny vatany. Etsy andaniny ihany koa, misy ireo olona somary marefo ny hery fiarovana ao aminy ka mety ahitana soritr’aretina hafa toy ny hoe maloiloy, mandoa, miha-mahia, rera-dava, malain-komana, misy mibontsimbontsina sy menamena eo amin’ny vatana.

Fitsaboana sy fisorohana ny aretina cysticercose

Azo tsaboina tsara ny aretina cysticercose. Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka misy iray na maromaro amin’ireo fambara ireo ny olona iray. Marihana fa samy mety ho tratr’ity aretina ity avokoa na ny ankizy na ny olon-dehibe. Mety maharitra fotoana ela dia ela ny fitsaboana raha toa ka efa lehibe loatra na maro loatra ny kakam-pisaka ao amin’ny vatana.
Mba ho fisorohana ity aretina ity dia fadiana na ferana arak’izay azo atao ny fihinanana hena tsy masaka tsara toy ny « charcuteries » sy ny kitonotono. Rehefa mahandro henakisoa dia masahana mandritra ny adiny iray mahery mba ho maty ny atodin’ny kakam-pisaka raha misy izany ny hena.
Tandremana tsara ihany koa mba ho sasana tsara ny legioma sy ny voankazo alohan’ny hinanana azy, indrindra ny « salades » sy ny « fraises ». Rano avy nampangotrahana hatrany no sotroina. Rehefa alohan’ny hisakafo dia sasana amin’ny savony hatrany ny tanana.

Lire la suite

Articles Similaires