• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Babycenter
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitaizana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny zaza mitohana

21/09/2023 09:35 © Moov.Mg

Toe-javatra mety hitranga amin’ny zazakely ny mitohana. Maro ny antony mety mahatonga izany ary matetika dia tsy misy atahorana be loatra. Fa inona no mahatonga ny zaza mitohana ? Inona no tokony atao manoloana izany ?

Inona no mahatonga ny zaza mitohana ?

Vao teraka ny zaza dia manao maloto (mikakà) isaky ny avy minono. Misy fotoana nefa miova tampoka izany ka mety ho lasa isaky ny roa na telo andro, izay no atao hoe zaza mifarina. Tsy tokony misy ampikoropaka rehefa mitranga izany. Rehefa minono ny zaza dia trohan’ny vatany avokoa ilay ronono ary kely sisa no lasa any anaty malotony. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny roa volana hatramin’ny enim-bolana ny zaza no mifarina ary afaka ho azy izany. Marihana fa tsy azo afangaro amin’ny zaza mitohana ny zaza mifarina.
Ny fitohanana eo amin’ny zaza dia fomba iray hanehoan’ny vatany fa misy fikorontanana ao anaty. Raha izany no mitranga dia tsikaritra fa mafy sy somary vaventy ny loto (kakà) mivoaka, mibontsina sy mafimafy ny kibo, mahalana be vao manao maloto ilay zaza ary mitomany rehefa hikakà. Maro no antony mety mahatonga ny zaza mitohana :
-Tsy ampy rano sy sakafo be « fibres » ilay zaza ;
-Diso fatra ny solon-dronono nomena azy ;
-Tsy mahalevon-kanina ;
-Misy fiovan-javatra tampoka eo amin’ny tontolony, toy ny hoe niditra « crêche », nahazo zandry…

Inona no vahaolana azo atao amin’ny zaza mitohana ?

Manelingelina ary mety manaintaina amin’ny zazakely ny fitohanana. Ireto manaraka ireto ary misy vahaolana arahana mba hampitoniana sy hanampiana ny zaza mitohana :

Ho an’ny zaza latsaky ny 6 volana

-Misotro rano sy mihinana sakafo be fibra ny reny mampinono ;
-Orina manao boribory miankavanana (sens de l’aiguille d’une montre) ny kibon’ilay zaza ;
-Hajaina tsara ny toromarika mikasika ny fatran’ny solon-dronono sahaza ny zaza.

Ho an’ny zaza mihoatra ny 6 volana

-Omena rano betsaka sy sakafo be « fibres » toy ny legioma, voankazo nandrahoina (compote)… ilay zaza ;
-Zarina manao fihetsem-batana (exercices) izy mba hanaitaitra ny tsinainy.
-Ahena ny sakafafo mampitoana ( vary, karaoty, Farilac...)
Tandremo ny manome fanafody tsy nahazoana alalana avy amin’ny mpitsabo sao misy vokadratsiny amin’ny zaza. Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka mandoa, mitohana mihoatra ny herinandro, misy rà amin’ny maloto, mihena na koa manavy ilay zaza mitohana.

Lire la suite

Articles Similaires