• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Alvityl
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana torimaso : Tandremo fa miteraka vokadratsy ho an’ny vatana !

20/09/2023 17:19 © Moov.Mg

Matetika isika variana amin’ny rotoroton’ny fiainana ka manao tsirambina ny torimaso. Tandremo fa misy fiantraikany ratsy ho an’ny fahasalamana ny tsy fahampiana torimaso matetika. ‘Ndeha ange resahana e !

Mety mitarika aretin’ny fo ny tsy fahampiana torimaso

Misy fiantraikany eo amin’ny fiasan’ny fo ny tsy fahampiana torimaso matetika. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa mamokatra « hormones » mampiakatra ny tosi-drà sy mampitombo ny « cholestérol » ny vatana. Ireto farany dia mampitombo ny « risques » hahavoa ny aretin’ny fo samihafa na koa ny fahatapan’ny lalan-drà ao amin’ny loha na AVC.

Mampihena ny hery fiarovana

Maro ireo sela miantoka ny hery fiarovana ao amin’ny vatana no miankina amin’ny fahampian’ny torimaso. Rehefa mikorontana na tsy ampy ny torimaso dia tsy afaka manatanteraka ny asany amin’ny ara-dalàna intsony ireo sela ireo. Anisan’ny fiantraikan’izany ny fihenan’ny « globules blancs » izay miandraikitra ny fiadiana amin’ny aretina sy ny viriosy. Rehefa tsy ampy torimaso noho izany dia mihena ny hery fiarovana ka lasa mora marary.

Mampihena ny fiasan’ny atidoha

Mandritra ny torimaso dia mamoaka sy manala ireo poizina « toxines » ao aminy ny ati-doha. Rehefa tsy miala araka ny tokony ho izy ireo toxines ireo dia mihena ny fiasan’ny atidoha. Lasa tsy mahavita mifantoka ary lasa be fanadinoana ilay olona tsy ampy torimaso matetika. Maro ihany koa ireo fikarohana manamarina fa ny tsy fahampian-torimaso dia miteraka fahakizitinana sy fahatohinana amin’ilay olona.

Mampikorontana ny fandevonan-kanina

Rehefa tsy matory tsara ny olona iray dia mihisatra ny fiasan'ny taova rehetra ao anaty. Voakasika manokana ny vavony. Ireo olona tsy ampy torimaso araka izany dia mety hahatsapa fahasarotan'ny fandevonan-kanina, indrindra moa raha nandray sakafo na rano isan-karazany tsy ankijanona nandritra ny fiaretan-tory. Iaraha-mahalala mantsy fa mila manaja ora fisakafoanana ny tsirairay.
Mba hitandrovana ny fahasalamana, mila matory adiny 6 na adiny 7 ny olona tsirairay, na lahy na vavy. Raha azo atao, asa amin'ny andro atoandro no tena mety, satria ny alina dia natao hakana aina. Mihena mihitsy moa na ny famalian'ny vatana na ny fahitan'ny maso rehefa milentika ny masoandro. Raha toa ka voatery miari-tory, noho ny fahoriana ohatra, tsara raha honerana ilay torimaso tsy ampy.

Lire la suite

Articles Similaires