• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Du Cambodge Et De Thaïlande
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fomba fikarakarana « croquette de poulet » mikarepoka tsara

20/09/2023 16:18 © Moov.Mg

Nahandro mora atao ary tena ankafizin’ny maro ny « croquette de poulet ». Azo atao tsakitsaky na atao laoka tsara izy ity. Tsy lafo vidy araky ny fieritreretana azy ny fanamboarana ity sakafo ity fa dia zavatra tsotra no ampiasaina. Araho ary ny fomba fikarakarana.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanovana croquette de poulet mikarepoka

-Elatra na fen’akoho 1 kg ;
-Sira/dipoavatra ;
-Tongolobe 2 ;
-Tongolo gasy voniny 1 lehibe ;
-Sakamalaho mitovitovy habe amin’ny ankihibe ;
-Tamotamo ;
-Vinaingitra ;
-Lafarinina 250g ;
-Chapelure na Poti-mofo voatoto ( mofo dipaina maina de aveo totoana) ;
-Atody 2.

Fomba fikarakarana

Voasana ny tongolo gasy, sakamalaho sy ny tongolobe. Avy eo miara totoiana dia ampiana sira sy dipoavatra. Arotsaka ny tamotamo (voakiky na vovony) sy ny vinaigitra 2 sotrokely.
Sasana ary avela hitsika ny elatra na fen’akoho. Rehefa mitsika tsara dia arotsaka ao ireo fangaro nokarakaraina teo aloha ary afangaro. Aroharoana matetika mba hifangaro tsara sy hiditra tsara ao amin’ny nofon’akoho ireo tsiro samihafa. Tetehana arak’izay hitiavana azy ny akoho, afaka atao boribory, lavalava… Avela hilona mandritra ny ora 1.
Hafanaina ao anaty lapoaly jobo na vilany saba ny menaka. Atao betsaka mandifotra ny haben’ny tetiky ny akoho ny fatran’ny menaka ampiasaina. Etsy andaniny, atao anaty lovia samihafa ny lafarina, ny chapelure na poti-mofo ary ny atody nokapohana.
Rehefa mafana tsara ny menaka dia akosoka tsirairay ao anaty lafarina aloha, dia avy eo ny atody ary farany ny poti-mofo ireo akoho voatetika. Atao mafana be ny menaka amin’ny voalohany avy eo ahena ny afo. Rehefa hita fa mendimendy ny chapelure dia vita ny nahandro. Tokony maharitra eo amin’ny 3 na 5 minitra eo ny fahamasahany. Apetraka eo ambony taratasy mifoka menaka rehefa vita.

Lire la suite

Articles Similaires