• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Slate
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitaizana : tsy azo ferana tsy hitomany ny zaza sy ny ankizy

20/09/2023 10:58 © Moov.Mg

Fitenintsika lehibe amin’ny zaza sy ny ankizy matetika ny hoe : « aza mitomanimany izany fa efa lehibe », « ny commando tsy mitomany », « aza mitomany fa mamenatr’olona »… Izany hoe ferantsika tsy hitomany ny zanantsika. Tandremo fa misy fiantraikany ratsy amin’ny zaza sy ny ankizy ny famerana azy tsy hitomany.

Ny fiantraikan’ny famerana ny zaza sy ny ankizy tsy hitomany

Tsy azo ferana tsy hitomany ny zaza sy ny ankizy. Izany akory tsy midika hoe avela mitomany irery sy ela be eo ny zaza. Azo atao tsara ny manambitamby sy mampangiana azy rehefa hita fa tokony hitony amin’izay. Ny fandrarana ny zaza tsy hitomany na handatsaka ranomaso no tsy mety. Ny fitomaniana dia fomba iray ahafahan’ny zaza maneho ny fihetseham-pony. Noho izany manana zo ny mitomany izy rehefa malahelo, tezitra, faly…
Ny fandrarana na famerana ny zaza hitomany dia mampianatra azy tsy haneho fihetseham-po. Lasa manana fahazarana manafina sy manangona ny fihetseham-pony ilay zaza. Toy ny olona rehetra ihany anefa izy ka rehefa feno ny ao am-pony dia tsy ho zakany intsony. Izany dia mety hitarika areti-po, fahatrotrahana na amin’ny herisetra.
Ny zaza ferana tsy hitomany ihany koa dia lasa mieritreritra hoe zavatra ratsy ny mitomany sy ny malahelo. Any aoriana izy mety ho lasa tsy hanana fo mahay mangoraka. Ankoatra izay dia mampianatra ny zaza hametraka ny filan’ny manodidina ho ambony kokoa noho ny mahasoa azy ny famerana azy tsy hitomany satria hoe « mamenatr’olona izany ».

Mila henoina sy tohanana hatrany ny zaza sy ny ankizy

Anjarantsika ray aman-dreny no mitaiza sy mikolokolo ny zanantsika ho olom-banona sy ho sambatra rehefa any aoriana. Fomba iray ahatongavana amin’izany ny fihainoana sy fanohanana ny zaza sy ny ankizy. Rehefa mitomany izy ireny dia mila fantarina ny antony mahatonga izany ary miezaka ny lehibe mitady ny fomba handravonana ny olana. Ratsy tsy afaka aravona ity farany dia efa zava-dehibe ho an’ilay zaza ny fihainoana azy.
Etsy andaniny dia mila tohanana hatrany ny zaza mba hanana fitokisana amin’ny ray aman-dreniny sy amin’ny tenany. Ampahafantarina azy fa afaka mitomany avokoa ny olona rehetra na ny zazakely na ny olon-dehibe. Ampianarina azy hoe manamaivana ny fo ny fitomaniana rehefa ilaina izany. Hazavaina amin’ny ankizy ihany koa hoe tsy mahamenatra ny mitomany eo imason’ny olona rehefa tsapa mavesatra ny ao am-po.

Lire la suite

Articles Similaires