• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Boulettes chinoises » : 'Ndao karakaraina ao an-trano !

19/09/2023 16:59 © Moov.Mg

Nahandro iray maro mpankafy ny « boulettes chinoises ». Ao anatin’ireny karazana « soupes » na lasopy ireny moa matetika no ahitana azy. Azo atao anaty nahandro hafa ihany koa nefa ity karazana boulettes ity. Zaraina eto ary ny fomba tsotra fikarakarana boulettes chinoises.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « boulettes chinoises »

-Toton-kena 500g ;
-Levure chimique 3 sotrokely ;
-Atody 1 ;
-Tongolo gasy efa voatoto 1/2 ny sotro fihinanana ;
-Sauce soja 2 sotro fihinanana ;
-Siramamy 1 sotrokely ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Sakamalao efa voatoto 1/2 ny sotrokely ;
-Céleri/kotomila notetehana madinika ;
-Fécule de manioc 3 sotrofihinana.

Fikarakarana ny boulettes chinoises

Atao anaty « saladier » ny akora rehetra ary atao mifangaro tsara. Rehefa vita izay dia saromana tsara amin’ny « papier film » ary apetraka anaty « congélateur » mandritra ny adiny 2 na 3. Azo atao anaty fitoerana misarona ihany koa raha tsy manana papier film. Tsy endrasana mivaingana ny hena fa rehefa hita fa mangatsiaka tsara fotsiny dia avoaka. Azo apetraka anaty vata-fampangatsiahana mandritra ny tontolo alina ilay fangaro raha tsy manana « congélateur ». Raha toa moa ka tsy manana vata-fampangatsiahana dia afaka miampita avy hatrany amin’ny dingana manaraka.
Miaraka totoina ao anaty « mixeur » ilay fangaro efa nampangatsiahana. Alefa tsikelikely fa tsy totoina indray miaraka ary atao malemy tsara. Etsy ankilany, manomana rano mangatsiaka anaty lovia jobo eo akaiky eo. Volavolaina atao boribory ilay toton-kena. Afaka mampiasa sotro hahamora ny fahazoana ilay boribory. Ilay rano eo akaiky no ampiasaina tsy hampiraikitra ilay toton-kena amin’ny tanana.

Mampangotroka rano anaty vilany lehibe. Arotsaka ao ny boublettes rehefa mangotraka tsara ilay rano. Mitsingevana eo amin’ilay rano ireo boulettes ary andrasana ho masaka tsara vao esorina. Tokony maharitra eo ho eo amin’ny 7 minitra eo ny fotoana fahamasahan’ireo boulettes ireo. Esorina rehefa masaka ary atao anaty rano mangatsiaka mandritra ny 3 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires