• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra fikolokoloana ny fahasalamana manomboka ny faha 40 taona

19/09/2023 13:39 © Moov.Mg

Miova manaraka ny fitombon’ny taona ny toe-batana sy ny toe-pahasalaman’ny olombelona. Mila mianatra mitaiza vatana manomboka ny faha 40 taona mba hisorohana ireo aretina mpahazo ny beantitra rehefa any aoriana. Inona avy ary ireo torohevitra fikolokoloana ny fahasalamana rehefa feno 40 taona no miakatra ?

Mizaha fahasalamana indray mandeha isan-taona fara-fahakeliny

Mila mizaha fahasalamana indray mandeha isan-taona fara fahakeliny rehefa manomboka ny faha 40 taona. Tsara hatrany ny manantona toera-pahasalamana sy manao fitiliana na tsy marary aza. Maro tokoa mantsy ny aretina mpahazo ny beantitra no tsy misy fambara ahafantarana izany. Raha mahatsapa hafahafa, toy ny hoe reraka lava, fanimpanina indraindray, misy manaitaina ao amin’ny vatana… dia mila manantona mpitsabo hatrany. Mora kokoa ny mitsabo ny aretina raha izy vao manomboka, indrindra ho an’ny olona efa nahazo taona.

Misotro rano betsaka isan’andro

Tsy mila ampatsiahivina intsony ny hoe mila misotro rano 1,5 litatra isan’andro ny olona rehetra mba ho ampy rano tsara ny vatana iray manontolo. Vao maika mitombo izany filàna misotro rano betsaka izany rehefa mitombo ny taona. Matetika moa isika dia toa kamokamo misotro rano ka tsy mahatsiaro izany raha tsy efa mangetaheta. Marihana nefa fa ny tsy fahampian-drano ao amin’ny vatana no isan’ireo antony miteraka olana ara-pahasalamana indrindra mpahazo ny beantitra. Mety misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny lalan-drà, ny fo, ny ati-doha, ny taova fandevonan-kanina… izany.

Mazoto manao fanatanjahantena

Fomba iray fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana ny fanaovana fanatanjahantena. Ilaina hatrany ny fanaovana izany, eny na efa manomboka mahazo taona aza. Manomboka ny faha 40 taona no miakatra dia tsy tokony atao tsirambina intsony ny fanetsiketsehana ny vatana. Tsy voatery hanao fanatanjahantena mampiasa vatana be no atao. Ny fandehanana tongotra, milomano… dia ampy hitaizana ny vatana. Mila manetsiketsika vatana mandritra ny 30 minitra eo ho eo isan’andro. Manampy betsaka amin’ny fanalana ny sorisory sy ny fahatezerana izay manimba ny fahasalamana ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena.

Manamboatra ny fahazarana ara-tsakafo

Rehefa manomboka ny faha 40 taona dia mila amboarina ny fahazarana ara-tsakafo mba ho fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana. Ahena ny fatran’ny sira, menaka sy siramamy amin’ny sakafo hoanina. Ferana ihany koa ny fihinana zavatra matavy sy ny lafarina. Ny voankazo, legioma, trondro ary ny vokatra avy amin’ny ronono no atao betsaka. Mety ihany koa raha ahena ny fatran’ny sakafo eo am-bilia sy ny fihinanana zavatra anelanelam-potoana. Izany dia mba hiarovana ny vavony sy ny taova fandevonan-kanina tsy hiasa be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires