• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bcbg Paris
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Massage amincissant » : tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana ve ?

19/09/2023 10:12 © Moov.Mg

Fomba iray fanenana vatana efa betsaka mpanao eto amintsika ny « massage amincissant ». Ity farany moa dia fomba fanorana manokana hatao mba hampiena ny faritry ny kibo, ny fe... Tena mandaitra tokoa ve ny massage amincissant ? Tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana ve ?

Inona no atao hoe « massage amincissant » ?

Ny « massage amincissant » dia fomba fanorana manokana ny hoditra mba hanapotehana ireo tavy mivangongo amin’ny faritra misy « cellulites » sy hanesorana izany. Voasokajy anisan’ny fomba fanorana mandaitra indrindra amin’ny fiadiana amin’ny cellulites na ireo faritra matavy eo amin’ny kibo, valahana, fe ary fitombenana ny massage amincissant. Mila arahana fomba fisakafoanana voalanjalanja ary atao mandritra ny fotoana maharitra kosa nefa izany mba hahazoana vokatra mahafa-po. Amin’ny ankapobeny dia atao mandritra ny 10 hatramin’ny 20 andro misesy ny massage amincissant. Rehefa tapitra izany fe-potoana izany dia tokony ho hiena ireo faritra norina ary lasa mafimafy sy malama ny hoditra eo amin’izany. Manatsara ny fikorian’ny rà ary miady amin’ny « rétention d’eau » ihany koa ity karazana fanorana ity.

Inona kosa ary ireo mety ho vokadratsin’ny massage amincissant ?

Azo lazaina ho mandaitra tokoa ny massage amincissant raha vita hatramin’ny farany ny fe-potoana takiana amin’izany ary olona matihanina no manatanteraka azy. Mety misy lafy ratsiny sy fiantraikany amin’ny vatana ihany koa nefa ny fanaovana azy io. Voalohany dia marary sy manaintaina tokoa ny faritra horina. Samy manana ny fahazakany ny fanaintainana ny olona tsirairay fa misy ireo tsy mahazaka izany ka tsy manohy intsony. Ho an’ny olona manana hoditra malemy moa dia mety ho mangana mihintsy ireo faritra norina. Matetika ihany koa dia mahatsiaro tena torovana sy misy « courbatures » aorian’ny fanorana. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy atahorana loatra nefa ireo rehetra voalaza ireo ary afaka ho azy rehefa mihazatra an’ilay massage amincissant ilay olona. Tsy tsara manao ity karazana fanorana ity kosa nefa ny olona misy tosi-drà, manana olana amin’ny taovam-pisefoana, folaka, misy aretin-koditra.

Lire la suite

Articles Similaires