• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitaizana : tsy mety amin’ny ankizikely ny « écran »

18/09/2023 16:34 © Moov.Mg

Anisan’ny fahazarana fanaon’ny ray aman-dreny ankehitriny ny manome finday na « tablette » ny ankizy mba hahavariana azy ireo. Mila mitandrina nefa isika ray aman-dreny satria mbola tsy mety amin’ny ankizikely ny fampiasana ireny écrans ireny. Inona ary ireo mety ho vokadratsin’izany ?

Ny vokadratsin’ny fampiasana écran eo amin’ny ankizikely

Tsy tokony mampiasa écran aloha be loatra ny zaza sy ny ankizikely satria mety misy vokadratsy eo amin’ny fivelarana ara-tsaina sy ny fihetsik’izy ireo izany. Anisan’ireo olana mety hitranga ny hoe lasa mahery setra, tsy mahatombin-toerana, kizitina… ilay zaza. Matetika moa ireo fihetsika ireo dia vokatry ny tsy fahampiana torimaso amin’ny alina vokatry ny fijerena écran be loatra.
Mety ho lasa manana olana amin’ny fifandraisana amin’ny manodidina ihany koa ilay ankizy. Rehefa variana lava eo amin’ny écran moa ity farany dia lasa mitokatokana sy tsy zatra miresaka amin’ny hafa intsony. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana moa dia mety hiteraka areti-maso sy tsy fahatomombanana eo amin’ny fahamatoran’ny ati-doha.

Firy taona ary no tokony afaka hampiasa « écran » ny ankizy ?

Tsy tokony avela mijery sy mampiasa écran alohan’ny fahatelo taonan’ny ankizy. Alohan’io taona io izy no manomboka mifanerasera amin’ny manodidina azy. Eo ihany ko aizy no mianatra mampiasa ireo « 5 sens », izany hoe mahita hoe misy zavatra mihetsika eo akaikiny, mikitika, mamoaka feo, mihetsika, mamerina ny fihetsika hitany… Rehefa mihalehibe izy dia afaka miteny, miresaka tsara, mivelatra ny sainy… Miankina betsaka amin’ny fifanakalozany amin’ny olona manodidina azy no ahafahany manao izany rehetra izany.
Noho izany, raha variana mijery écran sy mihaino izay mitranga ao ilay zaza dia lasa tsy mipetraka arak’izay tokony ho izy izay fifaneraserana amin’ny olona manodidina izay. Lasa mandray fotsiny izay hitany sy reny ao amin’ny écran fotsiny ihany izy fa tsy mandray anjara. Tsy mampivelatra ny sainy izany ary mety ho lasa sakana amin’ny fifandraisany amin’ny hafa any aorian. Izany indrindra no antony tsy hamelana ny zaza latsaky ny 3 taona tsy hijery écran. Mila ferana hatrany nefa ny fampiasan’ny ankizikely ireny fitaovana misy écran ireny na efa mihoatra ny 3 taona azy izy. Manimba maso ary manimba ny fifantohana sy ny fitadidiana eo amin’ny ankizy ny fampiasana écran be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires