• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Notre-Planete.Info
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitaizana zazakely : ampiasa lamban-jaza sa ampiasa couches jetables ?

18/09/2023 11:37 © Moov.Mg

Mampafana zaza kokoa hono ny lamban-jaza ? Mampidi-drivotra amin'ny zaza hono ny couches jetables ? Maro ireo reny Malagasy no misafidy ny mampiasa lamban-jaza. Tsy vitsy ihany koa etsy andaniny ireo mampiasa couches. Inona ary no mety kokoa amin’izy roa tonta ireo ?

Ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ny fampiasana lamban-jaza

Lamban-jaza hatrany no nampiasaintsika Malagasy talohan’ny nisian’ireny « couches jetables » ireny. Any ivelany moa dia maro ireo miverina mampiasa azy ireny na maro ary ireo karazana couches jetables misy any an-toerana. Anisan’ny antony mahatonga azy ireo mampiasa ny lamban-jaza noho izy ireny tsy mandany vola kokoa satria afaka sasana dia averina ampiasaina indray. Ankoatra izay dia tsy atahorana hampisy « allergie » ny hoditry ny zaza ny lamban-jaza noho izy vita amin’ny lamba malefaka toy ny « coton » irery ihany ary tsy ahitana akora simika. Tsy manimba ny tontolo iainana ihany koa ny lamban-jaza satria vitsivitsy ihany no vidiana dia ampy ny zazakely ary mbola azo ampiasaina hatrany.
Maro ihany koa ireo lafy ratsin’ny fampiasana lamban-jaza eo amin’ny zazakely. Satria moa tsy mifoka hamandoana ny lamban-jaza dia tsy maintsy soloina izany vao mando indray mandeha. Tsy azo avela lena eo tokoa mantsy ny zazakely satria mety hampangatsiaka azy ilay hamandoana. Matetika ihany koa dia tanteraka amin’ny pataloha sy ny akanjon’ny zazakely ny hamandoana sy ny loto tsy voatanan’ny lamban-jaza. Ankoatra izay dia mila sasana hatrany ny tati-lamba isaky ny avy naloto. Miteraka fahasahiranana eo amin’ny ray aman-dreny ny fanasana sy ny fipasohana azy ireny isan’andro. Ankoatra izay moa dia azo lazaina ho mandany rano sy savony tokoa ny fanadiovana azy ireny.

Ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ny fampiasana couches jetables

Efa maro dia maro ireo reny malagasy resy lahatra amin’ny fampiasana ny couches jetables. Anisan’ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana azy ireny moa ny fanamaivanany ny fahasahiranana amin’ny andavanandro. Tsy mila sasana ny couches jetables fa ariana avy hatrany rehefa maloto tsy azo ampiasaina intsony. Noho izy ireny mitroka hamandoana dia tsy voatery soloina isak’izay avy nivalan-drano ny zazakely. Maharitra adiny 4 ora izy ireny vao soloina raha tsy nanao maloto ilay zaza.
Misy lafy ratsiny ihany koa ny fampiasana couches jetables. Voalohany lehibe amin’izany ny resaka fandaniana. Mandany couches maro dia maro ny zazakely ka mivesatra amin’ny vola mivoaka ao an-tokantrano tokoa ny fividianana azy ireny. Mety mahatonga aretina toy ny « infection urinaire » ny fampiasana azy ireny raha toa ka ela loatra vao soloina. Ankoatra izay dia mety ahitana akora simika miteraka « allergie » amin’ny hoditry ny zaza ny fanamboarana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires