• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciencesc.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fandokoana volo : ireo mila tandremana mba tsy hahasimba ny volo

17/09/2023 19:42 © Moov.Mg

Tsy olana intsony ankehitriny ny manova ny lokon’ny volo, na hanakonana volo fotsy izany na fitia te hiova loko fotsiny ihany. Mila mitandrina kosa nefa rehefa mandoko volo mba hisorohana ireo mety ho vokadratsy aterak’izany.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fandokoana volo

Mitahiry akora simika avokoa ny ankamaroan’ireo lokom-bolo ampiasain’ny mpanao volo. Anisan’ireny akora simika ireny moa ny « antioxydant » na akora maha arafesina. Ireo karazana lokom-bolo maharitra na « permanent » no tena ahitana azy io. Kasinga simika hafa fahita anatin’ny lokom-bolo ihany koa ny alkalina sy ny amoniaka.
Raha toa ka lokom-bolo misy ireo karazana kasinga ireo no ampiasaina amin’ny fandokoana volo dia mety hiteraka vokadratsy ho an’ny volo sy ho an’ny fahasalamana izany. Lasa makiana, tapatapaka, mihintsana sy simba ny volo miloko. Ny amoniaka dia molekilo manimba ny hoditra sy ny havokavoka ka mety miteraka fahasemporana raha tsy mahazaka izany.

Ireo torohevitra sy fitandremana rehefa mandoko volo

Fomba iray fikolokoloana ny endrika izay maro mpankafy ny fandokoana volo. Misy ireo fomba fitandremana azo arahina mba hisorohana ireo vokadratsy mety aterak’izany.

Hajaina ny fehi-potoana eo anelanelan’ny fandokoana roa

Misy fehi-potona tokony hajaina eo anelanelan’ny fotoana handokoana ny volo. Izany dia mba ahafahan’ny maka aina sy hienan’ireo lokom-bolo teo aloha. Mila mielanelana eo amin’ny 6 herinandro eo noho izany ny fandokoana voloa. Miaro ny volo tsy ho simban’ny loko izany.

Lokom-bolo tsara kalitao no ampiasaina

Anisan’ny manimba volo tokoa ny lokom-bolo ratsy kalitao. Tsara raha ireo vokatra avy amin’ny mpamokatra fanta-daza no ampiasaina. Ireo toerana fanaovana volo lehibe « grands salons » moa matetika no ahitana ireny vokatra ireny na eny amin’ny tranombarotra lehibe. Azo atao ihany koa ny mampiasa ireo lokom-bola vita amin’ny zavamaniry, toy ireo vovoka loko. Tsy misy akora simika izy ireny ka tsy atahorana hanimba ny volo.

Mampiasa vokatra fikolokoloana volo natokana ho an’ny volo miloko

Rehefa miloko ny volo dia mitombo ny fikarakarana atao amin’ny mba hisorohana azy tsy ho makiana, tapatapaka sy miongotra. Mila mampiasa vokatra fikolokoloana vola natokana ho an’ny volo miloko, izany hoe ny « shampoing », « après shampoing », « masque », « sérum ». Ilaina avokoa ireo vokatra ireo mba hanomezana sakafo sy rano ary hampamafy ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires