• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recette De Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mofomamy mangahazo : ahoana ny fomba fikarakarana azy ?

15/09/2023 16:00 © Moov.Mg

Fantatrao ve fa maro karazana ny mofomamy Malagasy afaka karakaraina ao an-trano ? Anisan’ny maro mpankafy amin’izy ireny ny mofomamy mangahazo. Tsotra ny fanamboarana azy ary tsy mandany vola be ihany koa ny zavatra ilaina amin’ny fikarakarana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofomamy mangahazo

-Mangahazo manta 1kg ;
-Siramamy izay sahaza ;
-Siramamy 125 g hanaovana caramel ;
-Atody 3 ;
-Lavanila singany 1 ;
-Dibera ;
-Ronono voanio (lait de coco) 400 ml na ronono ;

Fomba fikarakarana ny mofomamy mangahazo

Voasana, sasana ary kikisana atao amin’ilay manify tsara ny mangahazo. Arotsaka ao ny siramamy sy ny ronono voanio. Aroharoana atao mifangaro tsara.
Karakaraina ny caramel. Atao eo ambony lapoaly ny siramamy sy ny ranomboasary makirana. Hafanaina amin’ny afo malefaka mandra-pitsonika ny siramamy. Rehefa mivadika toy ny miloko volontany sy matsora dia vita ny caramel.
Hosorana dibera ny lasitra (moule). Arotsaka ao anatin’ity farany ny caramel ary avela mangatsiaka. Aorian’izay dia arotsaka ao ilay mangahazo voatoto nafangaro ronono voanio ary siramamy.
Andrahoana ao anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritry ny ora iray. Raha tsy manana lafaoro dia afaka atao « bain marie ». Ny fomba ahafantarana hoe masaka ilay mofomamy mangahazo dia tsatohana kely amin’ny lohan’antsy eo ampovoany. Rehefa tsy misy manaraka intsony dia masaka izy izay.

Lire la suite

Articles Similaires