• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kufu
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « glace » vita ao an-trano

14/09/2023 17:35 © Moov.Mg

Efa mamarana ny ririnina isika izao ka ho avy indray ny andro mafana. Anisan’ny sakafo tian’ny ankizy sy ankafizin’ny olon-dehibe ny « glace » rehefa ilay mafana tsara iny ny andro. Araho eto ary ireo zavatra ilaina sy ny fikarakarana atao raha hanamboatra glace ao an-trano.

Zavatra ilaina raha hanamboatra glace

Crème liquide 500ml ;
Atody 5 ;
Siramamy 1,5 ny pot yaourt ;
Tsiro (arôme) chocolat na izay tsiro tiana ampiasaina.

Fomba fikarakarana ny glace atao ao an-trano

Atao anaty saladier ny crème liquide ary kapohana amin’ny batteuse mba ho lasa chantilly. Rehefa hita mibontsina tsara sy tsy miraraka intsony rehefa ahohaka ilay saladier dia vita. Atao ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Kapohana mitokana amin’ny batteuse ao anaty saladier hafa ny tamenak’atody 5. Kapohana mitokana toy izay ihany koa ny tapotsin’atody 5 miaraka amin’ny siramamy. Atao mibontsona tsara mahazo « neige ».
Rehefa vita izay dia atambatra aloha ny chantilly sy ny tamenak’atody avy nokapohana. Mampiasa batteuse amin’ny fanambarana azy ireo. Tohizana kapohana hatrany sady arotsaka ilay tapotsin’atody efa nibontsina.
Rehefa mitambatra tsara avokoa dia afindrao ao anaty barquettes ary arotsaka amin’izay ilay arôme. Afangaro tsara amin’ny sotro. Rehefa mifangaro tsara dia apetraka ao anaty vata fampangatsiahana mandra-pivaingany.

Lire la suite

Articles Similaires