• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eagle Harbor Dental
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fisorohana ny areti-nify rehefa bevohoka na rehefa mampinono

14/09/2023 10:19 © Moov.Mg

Anisan’ny olana ara-pahasalamana mpahazo ny vehivavy bevohoka sy ny vehivavy mampinono ny areti-nify. Maro tokoa ireo reny lasa banga rehefa mitaiza kely. Fa inona tokoa no antony mankarary nify matetika ny vehivavy bevohoka na mampinono ? Inona no vahaolana azo atao ?

Ireo antony mankarary nify ny vehivavy bevohoka na mampinono

Maro ireo fiovana miova eo amin’ny vatana rehefa bevohoka ny vehivavy. Tafiditra anatin’izany ny nify lasa malemy sy mora simba. Ny fiovan’ny « hormones » ao amin’ny vatan’ny vehivavy bevohoka moa no isan’ny mahatonga izany fahalemen’ny nify izany. Lasa mora misy « plaques dentaires » ny nify ka raha tsy mitandrina dia mety hitarika fahasimbany izany. Antony hafa mankarary nify matetika ny vehivavy mitondra vohoka ihany koa ny fiovan’ny fahazarany ara-tsakafo. Lasa tia mihinana zavatra matetika eny anelanelam-potoana ka mampisy poti-tsakafo eny anelanelan’ny nify raha tsy manotsam-bava hatrany.
Ho an’ny vehivavy mampinono kosa dia mampalemy ny nify ny havizanana sy ny tsy fahampian’ny otrikaina ao amin’ny vatana. Ankoatra izay moa dia trohan’ny zaza amin’ny nonon-dreny ny kalsioma ilainy amin’ny fanamafisana ny taolany sy ny fitomboany. Raha toa ka tsy mahampy ny zaza ny kalsioma avy amin’ny sakafo nohanin’ny mpampinono dia ny tahirin’ny kalsioma ao anatin’ny vatan’ity farany no lasa voatroka. Rehefa mihena noho izany ny kalsioma ao amin’ny reny mampinono dia lasa malemy sy mora simba ny nifiny.

Ireo fomba atao hisorohana ny areti-nify rehefa bevohoka na mampinono

Ny fomba voalohany manampy amin’ny fisorohana ny areti-nify rehefa bevohoka na mampinono dia ny fihinana sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina. Rehefa ampy tsara ny otrikaina, indrindra ny kalsioma, ao amin’ny vatan’ny reny dia ho mafy ary tsy ho mora simba ny nifiny. Ny sakafo toy ny ronono, ny vokatra azo avy amin’ny ronono, ny voankazo, ny legioma, ny hena ary ny trondro no mila atao betsaka rehefa misakafo ny bevohoka sy ny mampinono.
Mba hisorohana ny areti-nify ihany koa dia mila kolokoloana tsara ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava. Mila miborosy nify indroa fara fahakeliny isan’andro ary « dentifrice » misy « fluor » no ampiasaina. Miezaka manontsam-bava hatrany isaky ny avy mihinana sakafo (goûter) sy rehefa avy mandoa (ho an’ny bevohoka). Ferana arak’izay azo atao ny fihinana zavatra manimba nify toy ny vatomamy, jus mamy be…

Ny fitsaboana ny nify marary rehefa bevohoka na mampinono

Raha toa ka misy goaka ny nify rehefa bevohoka na mampinono dia mila manantona mpitsabo nify (dentiste) ahazoana ny fitsaboana sahaza. Matetika moa dia tsy tsara loatra ny manamboatra nify mandritra ny telo volana voalohany sy ny telo volana faran’ny fitondrana vohoka. Mandritra ny faha efa-bola hatramin’ny faha enim-bolan’ny fitondrana vohoka no tsara manentsina ny nify goaka.
Amin’ny ankapobeny moa dia tsy tokony hanala nify ihany koa ny vehivavy bevohoka raha mbola misy fitsaboana hafa azo atao na raha mbola azo ampitoniana amin’ny fanafody ny fanaintanana. Ho an’ny reny mampinono dia azo atao tsara ny mitsabo sy manentsina ny nify goaka. Mikasika ny fanesorana nify dia maro ireo mpitsabo nify eto amintsika no tsy mamporisika izany raha mbola latsaky ny enim-bolana ny zaza minono.

Lire la suite

Articles Similaires