• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fomba fanamboarana Van Tan

13/09/2023 17:00 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo maro mpankafy ny Van Tan. Fahitantsika matetika anaty lasopy moa izy ireny fa afaka endasina (frire) atao tsakitsaky ihany koa. Araho eto ary ireo zavatra ilaina raha hanao Van Tan.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana Van Tan

-Lafarina 250 g ;
-Atody 2 ;
-Rano 25 cl ;
-Menaka 1 sotrokely ;
-Sira ;
-Toton-kena 175 g ;
-Cèleri ;
-Fécule de manioc 1 sotrokely ;
-Sauce soja 1 sotrokely ;
-Siramamy 1 sotrokely ;
-Dipoavatra ;
-Sakamalaho.

Fomba fikarakarana

Afangaro miaraka ao anaty saladier ny lafarine, atody 1, sira, siramamy ary ny rano. Volavolaina tsara ho lasa boribory (boule). Ajanona ao anatin’ilay saladier ary saromana lamba. Avela hilona mandritra ny 45 minitra. Rehefa vita izay dia zaraina 2 ilay pâte avy eo fisahana manify eo ambony labatra. Somary rarahana lafarina eo ambony latabatra vao fisahana eo ilay pâte mba tsy hiraikitra. Maka vera ary tapahana amin’ny vavan’ny vera ilay pâte nofisahana mba hahazo soritra boribory maromaro.
Manarak’izay dia karakaraina ny « farce ». Atambatra avokoa ny toton-kena, sira, cèleri, atody 1, sauce soja, fécule de manioc, siramamy, menaka 1 sotrokely ary miaraka potserina anaty « mixeur ».
Raisina ny pâte efa vita boribory ary asiana farce sahaza ny habeny eo ambony. Akatona toy ny manao « demi-lune » ilay pâte misy farce ary potserina mafy nisisy. Rehefa vita izay dia ahodina mihidy ny sisiny roa ary tsongoina hidy tsara. Vita ny Van Tan manta. Afaka endasina atao frite na andrahoina atao amin’ny lasopy. Marihana fa avaka ovaina arak’izay tiana ny akora hanamboarana ilay farce, ohatra hoe nofon’akoho, crevettes…

Lire la suite

Articles Similaires