• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Raising Children Network
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vehivavy maty zanaka teo am-piterahana : Ahoana ny fomba ampaherezana azy ?

13/09/2023 14:44 © Moov.Mg

Anisan’ny fahoriana mavesatra indrindra ho an’ny vehivavy ny maty zanaka teo am-piterahana. Mafy tokoa izany ilaozan’ny menaky ny aina nendrasana fatratra sy niafiana 9 volana izany. Ahoana ary ny fomba atao hampaherezana azy tsy hilatsaka anaty famoizam-po ?

Manaja ny fisaonan’ny vehivavy maty zanaka teo am-piterahana

Samy manana ny fomba hiatrehany ny fisaonana ny olona tsirairay ary tsy mitovy ny fihetseham-po sy ny dingana lalovana amin’izany. Misy ny vehivavy sasany mila mitoka monina sy miataka kely ny manodidina hiatrehany ny halahelony sy ny fisaonany. Misy kosa ireo maniry hiresaka sy hifampizara ny mikasika ilay zaza amin’ireo olona akaiky azy.
Misy ihany koa ireo miezaka mamantatra ny antony naha tsy hazo ilay zaza. Mety maharitra herinandro maro hatramin’ny erin-taona mahery moa izany fisaonana ny zaza tsy azo teo am-piterahana izany. Zavatra ara-dalàna ary tena ilain’ny vehivavy mandalo izany sedra izany moa izany dingana izany. Mila manaja hatrany izany fotoana fisaonany izany ireo akaiky azy ary tsy tokony hametra azy, eny na volana maro aty aoriana aza.

Mitondra teny mankahery sy mampitony fo

Tsy misy afaka mahatsapa na mahafantatra ny alahelo sy ny fahoriana mahazo ny vehivavy maty zanaka teo am-piterahana raha mbola tsy nandalo izany. Ny hany azo ataon’ireo olona akaiky azy dia ny mitondra teny mankahery sy mampitony fo ho azy. Ankoatra izay dia mila mihaino ny alahelony na koa ny fahatezerany, eny na dia maharitra herinandro maro aza ny anaovany izany.
Tandremana tsara mba tsy hanome torohevitra izay mamporisika ilay vehivavy tsy hitomany na tsy halahelo na koa tsy ho tezitra intsony. Mila avoakany avokoa ireo fihetseham-po ao aminy rehetra mba ahafahany hiatrika indray ny fiainana rehefa mitony ny fony.

Lire la suite

Articles Similaires