• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Barnabe-Io
Image
Fahasalamana&Sakafo

Diabetika : ireo torimarika ara-tsakafo tsara ho fantatra

13/09/2023 10:01 © Moov.Mg

Ny fiakaran'ny tahany siramamy ao anaty rà (hyperglycémie) maharitra (chronique) no atao hoe diabeta. Mba hisorohana ny fihitaran’ny aretina dia mila mihinana sakafo voalanjalanja ny olona voan’ny diabeta. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo torimarika ara-tsakafo mila arahan’ny olona diabetika.

Ireo hevi-diso mikasika ny sakafo ho an’ny olona diabetika

Mila manamboatra ny fomba fisakafoanana amin’ny ankapobeny ny olona misy diabeta. Anisan’ireo singa mandanjalanja ny tahan’ny siramamy ao amin’ny rà sy ny lanjan’ilay olona diabetika tokoa mantsy ny sakafo. Misy kosa ireo hevi-diso mikasika ny sakafon’ireo diabetika tsara hahitsy.
Noho ny fivoarana misy eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana dia tsy misy intsony ny fifadiana sakafo tsy maintsy ataon’ireo diabetika. Araky ny torimariky ny mpitsabo dia afaka, ary tokony, mihinana ny zavatra rehetra ny olona misy diabeta. Misy kosa nefa ireo karazana sakafo mila hohanina betsaka ary misy ireo mila ferana mba tsy hampikorontana ny tahan’ny siramamy (glycémie) anaty rà.

Ahoana ny fomba fisakafoanana mety amin’ny olona misy diabeta ?

Ny fomba fisakafoanana mety indrindra eo amin’ny olona misy diabeta dia ny fihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Raha atao bango tokana dia tsy mila mifady sakafo rehetra fa mila tandremana kosa ny fatran’izy ireo tsirairay avy.
Atao laharam-pamehana ny fihinanana sakafo be otrik’aina misy vitamines sy ny mineraly. Anisan’izany ny legioma sy ny voankazo. Tsara raha mihinana karazany 3 mifangaro isan’andro. Tokony mihinana sakafo misy « protéines » toy ny hena, trondro, atody, voamaina.. ihany koa isan’andro fa tsy atao be loatra. Tsy hadinoina ny misotro rano betsaka isan’andro.
Ireo sakafo matavy sy mampatavy toy ny tavin-kena, charcuteries, ero-dronono, ny mofo vita amin’ny lafarinina tsotra… dia azo hohanina fa ferana amin’ny fatra kely dia kely ary indray mandeha isaky ny roa herinandro no mihinana izany fara-fahabetsany. Toy izany ihany koa ny jus misy gaz sy mamy be loatra ary ireo sakafo mampiakatra ny glycémie toy ny ovy, vary fotsy, pâte…

Lire la suite

Articles Similaires