• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsakitsaky matsiro : fomba fanamboarana « saucisson » ao an-trano

12/09/2023 16:51 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo fanao tsakitsaky maro mpankafy ny « saucisson ». Tafiditra anatin’ireo « charcuteries » lafo vidy ihany koa izy ireny ka maro no tsy mahavidy azy matetika. Ato eto ary ny fomba fanamboarana saucisson ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao saucisson ao an-trano

-Henan-kisoa mahia na nofon-kisoa 1 kg ;
-Tavin-kena (Lard) ½ kg ;
-Vovon-dronono 10 gr ;
-Kotomila ;
-Muscade ;
-Paprika ;
-Dipoavatra ;
-Sira ;
-Siramamy ;
-Tsinain-kisoa 3 metatra ;
-Nitrate de potassium na salpêtre 5 g (ilaina mba hamonoana ny bakteria sy hahatsara ny fitehirizana ny saucisson).

Fomba fikarakarana

Totoina amin’ny hachoir ny hena sy ny tavin-kena. Tsy atao madinika loatra. Rehefa voatoto, dia arotsaka avokoa ireo fangaro sasana voatanisa eo ambony. Ny fampiasana ny vovo-dronono dia manampy amin’ny fahazoana ilay loko fotsifotsy ety ivelany izay maha tsara endrika ny saucisson. Ny salpetre na ny nitrate de potassium kosa dia mamono ny bakteria ary miaro amin’ny otrikaretina toy ny botulisme. Manatsara ny fitehirisana ny saucisson ihany koa moa izany.
Sasana atao madio tsara ny tsinain-kisoa. Asesika toy ny manao sosisy ny hena ny fangaro rehetra voatoto, ka afatotra amin’ny tady arakaraka ny alehibe tiana ny sisiny roa. Tandremana tsara tsy hisy rivotra ao anatiny. Tsindromina amin’ny cure-dent mba hiala tsara ny rivotra.
Ahantona ao an-dakozia na akaiky cheminée mandritra ny herinandro. Avy eo afindra amin’ny toerana mandrivotra sy maimaina. Afaka 5 herinandro eo ho eo dia afaka hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires