• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsante
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy te hiteraka intsony : fantaro ny mikasika ny « ligature des trompes »

12/09/2023 14:38 © Moov.Mg

Anisan’ireo vahaolana aroson’ny mpitsabo ho an’ireo vehivavy tsy maniry hiteraka intsony ny ligature des trompes. Tsy fanabeazana aizana noho izany ity farany fa fomba atao hahamomba ny vehivavy. Fa inona tokoa moa ny atao hoe ligature des trompes ? Inona ny lafy tsara sy ny mety ho lafy ratsin’ny fanaovana izany ?

Inona no atao hoe ligature des trompes ?

Ny ligature des trompes dia fanapahana na/sy famatorana ny lalan'ny atody (trompes), izay mivoaka avy ao amin'ny ovaire (mpamokatra atody). Izany dia mba tsy hahafahan'ny atody (ovule) mipetaka ao amin'ny tranon-jaza sy tsy hahafahan'ny tsirin'aina mifanena aminy. Noho izany, lasa momba na hoe tsy miteraka intsony mandrakizay ny vehivavy natao ligature des trompes. Tsy misy fanafana na fomba azo atao ahafahan’ny vehivavy miteraka indray rehefa avy natao ligature. Marihana moa fa tsy misy fiantraikany amin’ny fiasan’ny hormones ny fanaovana izany ka tsy mampikorontana ny fadim-bolana. Tsy misy fiantraikany amin’ny nonon-dreny ihany koa ka azo atao amin’ny vehivavy mampinono. Azo araraotina atao eo am-pandidina « césarienne » ny ligature.

Inona no fepetra ahafahana manao ligature des trompes ?

Arak’izany dia natao ho an’ny vehivavy tsy maniry hiteraka intsony na tsy tokony miteraka intsony noho ny antony ara-pahasalamana ny ligature des trompes. Omen’ny mpitsabo 4 volana mba hieritreretana tsara ny vehivavy maniry hanao ligature rehefa avy nampahafantarina ny rehetra mila fantatra mikasika izany.
Mila raisin’ny vehivavy ao anatin’ny kajikajy fieritreretana ny hoe mety hisy fisarahana na fahafatesana ka mety hiverina hanambady sy hitady zaza hafa izy any aoriana. Raha ny lalàna no jerena dia tsy mila faneken’ny lehilahy (vady) ny mpitsabo vao afaka manao ny ligature. Mila maka aina 24 ora aorian’ny fotoana nanaovana ny ligature ny vehivavy natao izany. Tsy manao ezaka mazana loatra ihany koa mandritra ny 1 volana aorian’izany.
Tsy azo atao ligature des trompes kosa ny zaza tsy ampy taona, ny vehivavy bevohoka, ny vehivavy avy niteraka ka manavy na misy vaigan-drà ny lalan-drà. Toy izany ihany koa ny vehivavy mandeha rà tsy fantatra ny antony, voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, misy aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, tsy ampy rà.

Ireo mety ho fiantraikan’ny fanaovana ligature

Samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay. Misy ireo tsy misy olana mihintsy aorian’ny nanaovana ny ligature des trompes. Misy kosa ireo mety ahitana fiantraikany vokatry ny tsy fahazan’ny vatana ilay fandidiana na famatorana ny trompes, toy ny infection ny fivaviana na eo amin’ny faritra nodidina, mandeha rà be, fahavakisan’ny lalandrà, fisian’ny zaza an-tsosokoditra, fanenenana.

Ny lafy tsara ny fanaovana ligature des trompes

Maro ireo lafy tsara azo amin’ny fanaovana ligature des trompes ho an’ny vehivavy tsy maniry hiteraka intsony :
-Tsy mila manao fanabeazana aizana intsony ;
-Tsy manembatsembana ny hormones ny fanaovana ligature ;
-Tsy misy fiantraikany amin'ny fahazotoana miray ;

Ireo mety ho lafy ratsiny

Misy ihany koa ireo lafy ratsy na ny manahirana amin’ny fanaovana ligature :
-Mila fandidina ny fanatanterahana azy ka mamela olatra ;
-Tsy miaro amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo ;
-Mety hanenenana any aoriana raha toa ka sy nosainina tsara satria mahamomba.

Lire la suite

Articles Similaires