• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Graine De Faim Kely
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nahandro malagasy : ny fomba fikarakara « kimo »

11/09/2023 15:43 © Moov.Mg

Ny « kimo » dia isan’ny nahandro malagasy malaza any ivelany. Mitovitovy amin’ny ovy sy totokena ihany moa izy ity, saingy misy ireo hanitra ampiasaina izay mampiavaka azy. Azo ampiarahina amin’ny vary, pakopako na mofo dipaina moa ny kimo. Samy mankafy azy avokoa na ny ankizy na ny lehibe, indrindra rehefa lafatra ny fomba nikarakarana azy !

Ireo zavatra ilaina raha hanao kimo

-Ovy 1kg
-Totokena ¼ ;
-Tongolobe ;
-Tongolo gasy ;
-Dipoavatra ;
-Sira ;
-Kotomila vovony ;
-Cumin ;
-Curry ;
-Tamotamo ;
-Sakamalaho ;
-Voatabia amin’ny boaty ;
-Menaka ;
-Rano.

Ny fomba fikarakarana ny kimo

Endasina miaraka tsy misy menaka ireo épices rehetra ka ireo maina no anombohana izany. Izany hoe ny dipoavatra, tamotamo, kotomila maina, cumin sy curry. Ny fifangaroan’ireo épices sy ny fe-potoana fanamasahana izany no mampiavaka ny kimo amin’ny ovy sy toton-kena tsotra. Rehefa manitra tsara dia asiana menaka. Arotsaka manarak’izay ny tongolobe voatetika sy ny tongolo gasy ary sakamalaho voakiky.
Arotsaka ny totokena rehefa mitady ho mendy ireo fangaro. Rehefa hita fa masaka ny toton-kena dia alefa ny voatabia amin’ny boaty, ny sira ary ny ovy voavaofy sy voatetika madinika. Tapohana rano mandifotra azy ary avela miketrika eo ambony afo malefaka. Jerena matetika ka ampiana rano raha toa ka mbola tsy masaka ny nahandro. Tsy atao malemy be ny ovy ary tsy endrasana ritra be ihany koa ny kimo vao esorina ambony afo. Aroso mafana ary rarahana ravina kotomila manta eo ambony mba hanome hanitra sy tsiro ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires