• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Denia Beauty
Image
Fahasalamana&Sakafo

Volo atao lissage amin’ny fomba maoderina : tsy misy atahorana ve ?

11/09/2023 10:51 © Moov.Mg

Malaza tato ho ato ny fanaovana lissage ny volo amin’ny fomba maoderina. Ny lissage brésilien sy ny lissage au tanin no isan’ireo betsaka mpanao indrindra. Ireto farany moa dia fomba fanatsorana ny volo mba ho lasa manana endrika malama sy malefaka. Fa inona tokoa ary ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’ny volo atao lissage ?

Inona no atao hoe lissage amin’ny fomba maoderina ?

Fomba amam-panao efa nisy hatry ny ela ny lissage na ny fanatsorana ny volo. Ary ny volo ngita na olioly tiana hitsoatra matetika no atao lissage. Misy ny « produits » manokana ampiasaina amin’izany ary ampiarahana amin’ny hafanana ambony avy amin’ny « brushing » mba hampitsotra ilay volo. Tsikaritra fa somary misy endrika be menaka sy may ny volo avy natao lissage tamin’ny fomba taloha.
Ankehitriny, maro ireo fanavaozana nataon’ny mpikaroka tany ivelany mikasika ny fanatsorana volo ka nahazoana ireo karazana lissages amin’ny fomba maoderina. Na ny lissage brésilien na ny lissage tanin dia samy mampiasa produits manokana mampitsotra volo avokoa. Samy mampiasa hafanana avy amin’ny lisseur moa izy ireo mba hiditra tsara anaty taovolo ny produits mampitsotra azy.

Ireo lafy tsaran’ny volo atao lissage amin’ny fomba maoderina

Maro ireo lafy tsaran’ny volo atao lissage amin’ny fomba maoderina. Voalohany amin’izany ny fanamorana ny fibangona ny volo amin’ny andavanandro. Lasa mitsotra, tsy miraikitra ary mifitsaka tsara ny volo ngita sy ny volo olioly natao lissage. Tsy mibontsina intsony ny vola rehefa avy sasana ary mora malama kokoa rehefa sintomina amin’ny brushing, na ao an-trano na any amin’ny toerana fanaovana volo. Mahafa-po kokoa ny vokatra azo satria tsy be menaka, mifitsaka sy malama tsara ary mitopatopa ny volo avy notsorina.
Azo lazaina fa manampy amin’ny fikolokoloana ny volo ihany koa ny fanaovana lissage amin’ny fomba maoderina. Ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana ireo produits fanatsorana ny volo, toy ny « kératine » ho an’ny lissage brésilien ary ny « tanin » hoan’ny lissage au tanin, dia mitahiry singa manome sakafo sy miaro ny volo tsy ho mora simba. Isan’ny antony mahasarika olona maro amin’ireo karazana lissage ireo ihany koa ny faharetan’ny endrik’ilay volo notsorina izay mety maharitra hatramin’ny 3 volana.

Ireo lafy ratsin’ny fanatsorana ny volo amin’ny fomba maoderina

Misy lafy ratsiny ihany koa ny fanaovana lissaga amin’ny fomba maoderina. Marihana fa mahery vaika tokoa ny produits ampiasaina amin’ny fanatsorana ny volo eny na tsy mitahiry akora simika be loatra ary. Mila fikarakarana manokana noho izany ny volo avy natao lissage ary mila produits voatokana ny fanaovana izany. Mety ho lasa manify ihany koa ny volo atao izany fanatsorana izany matetika.
Marina fa maharitra am-bolana maro ny volo notsorina. Rehefa maniry kosa ilay volo dia ilay volo natoraly, izany hoe ngita na olioly no mitsiry. Mila miverina manao lissage noho izany raha tiana hitovy tantana hatrany ny endriky ny volo. Anisan’ny lafy ratsin’ny fanaovana lissage maoderina ihany koa moa ny vidiny somary lafo, indrindra raha miditra amin’ireny « salon de coiffure » lehibe ireny rehefa hanao izany. Ankoatra izay dia mila manokana fotoana lava tsara rehefa hanao lissage satria mety maharitra hatrany amin’ny adiny 4 ora ny fanaovana izany, arakaraky ny kalitao, ny hatevina sy ny halavan’ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires