• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Astuces Au Feminin
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nahandro matsiro sy tsy lafo vidy : ny fomba fikarakarana choux farcis

08/09/2023 15:55 © Moov.Mg

Anisan’ireo zavatra manahirana tokoa ny fitadiavana ny laoka ho karakaraina ao an-tokantrano. Nahandro iray tsy lafo vidy ary matsiro izay ankafizin’ny lehibe sy ny ankizy ny choux farcis. Araho eto ary ny zavatra ilaina sy ny fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao choux farcis

-Laisoa iray lehibe ;
-Toton-kena 1/4 ;
-Pâte blanche 1 na pâte gasy ;
-Tongolo gasy ;
-Persil ;
-Tongolo ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Kofehy ;
-Voatabia ;
-Menaka.

Fomba fikarakarana sy fandrahoana choux farcis

Mampangotraka rano mafana anaty vilany ary asiana sira kely. Esorina tsirairay ny ravin’ny laisoa avy eo sasana. Atsoboka kely anatin’ilay rano mangotraka ireo ravina laisoa mba ho somary malemy. Tandremana tsara mba tsy halemy loatra satria lasa mora vaky rehefa handraoina avy eo. Raha mafy loatra koa nefa dia ho mora tapaka sy tsy ho mety fatorana. Esorina anaty rano ary avela hitsiaka.
Atao anaty koveta na saladier ny toton-kena, ny tongolo gasy voakiky, ny tongolo voatetika madinika, ny persil voatetika, ny sira, ny dipoavatra, ny pâte blanche efa avy nolomana tao anaty rano mangotraka sy notapatapahana. Afangaro tsara avokoa ireo akora rehetra ireo.
Maka ravina laisoa iray ary asiana ilay fangaro (farce) io ao anatiny. Tokony eo amin’ny 1 sotro fihinanana sy tapany eo raha lehibe ilay ravina. Rehefa vita izay dia hakatona toy ny hoe fonosina ao ilay farce. Mampiasa kofehy atao miodidina ilay ravina laisoa mba tsy hisokatra. Averina hatrany izany amin’ireo ravina laisoa ambiny sy ny farce.
Tetehana ny voatabia sy ny tongolo ary endasina toy ny manao sauce. Apetraka ao ireo choux farcis ary tapohana rano kely handrahoana azy ireo. Tsy atao be rano loatra fa izay rano tokony mahamasaka ilay toton-kena no atao. Rehefa ritra dia vita ilay nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires