• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny vitamine E ?

08/09/2023 11:24 © Moov.Mg

Anisan’ireo vitamines ilain’ny vatana ny vitamine E. Ao anatin’ireo sakafo matavy (aliments gras) moa matetika no ahitana azy. Manankarena antioxydant moa ny vitamine E ka mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana.

Ireo tombontsoa ara-pahasalamana entin’ny vitamine E

Ahitana antioxydant amin’ny tahany ambony ao anatin’ny vitamine E. Ny antioxydant dia misoroka ireo fiantraikany ratsy ateraky ny « radicaux libres », indrindra ireo mety manimba ny sela ao amin’ny vatana. Anisan’ny tombontsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny vitamine E ny :
-Fanamafisana ny fisorohana ny fahasimban’ny taova ;
-Fiarovana amin’ny fahanteran’ny sela ao amin’ny vatana ;
-Fanampiana amin’ny fandrindrana ara-pananahana, izany ho manome hery ny lehilahy ary misoroka ny fikorontanan’ny fadim-bolana ;
-Fisorohana ny fiforonan’ny eczema ;
-Fampitomboana ny hery fiarovana amin’ny fotoanan’ny ririnina ;
-Fiarovana amin’ny aretin’ny fo sy ny tsy fahatomombanan’ny neurone.

Ireo vokatsoa entin’ny vitamine E ho an’ny vatana

Mitondra vokatsoa maro eo amin’ny vatana ny vitamine E noho izy manankarena antioxydant. Miasa indrindra amin’ny fanatsarana sy ny fikolokoloana ny hoditra, ny volo ary ny hoho moa ity karazana vitamine ity. Ny fihinanana sakafo betsaka vitamine E dia mampalandina ny hoditra sy ny volo. Noho izy anti-inflammatoire dia mampitony ny fanaintainan’ny hoditra may ny masoandro ihany koa ny vitamine E. Mamporisika ny famokaran’ny vatana collagène ihany koa moa ity farany ka mahamafy ny volo (tsy mora simba) sy ny hoho (tsy mora tapaka).

Ireo sakafo ahitana vitamine E

Ny vitamine E hita ao anaty sakafo ihany dia ampy hanome ny fatran’ny vitamine E ilain’ny vatana. Anisan’ireo sakafo ahitana ity karazana vitamine ity ary tsara hoanina matetika noho izany ny : trondro, ny henan-kisoa, ny henon’omby, ny hen’ondry, ny vomanga, ny zavoka, ny manga, ny atody, ny tantely, ny varimbazaha, ny menaka oliva, ny voanjo… Ho an’ny olona manana olana amin’ny tsy fahampiana vitamine E dia misy ireo fanampin-tsakafo na compléments alimentaires misy izany. Eny amin’ny farmasia no hividianana azy ireny ary mila mahazo alalana sy torolalana avy amin’ny mpitsabo vao mihinana izany.

Lire la suite

Articles Similaires