• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikihow
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikarakarana hoho : torohevitra hampaharitra ny vernis eo amin’ny hoho

08/09/2023 09:56 © Moov.Mg

Anisan’ny zavatra mahasorena tokoa ny vernis amin’ny hoho mora miempaka sy mora afaka. Tsy voatery hanao vernis permanent na semi-perment, izay sady lafo no manimba hoho, nefa vao afaka mahazo vernis maharitra ela. Ireto manaraka ireto ny torohevitra arahana raha te hampaharitra ny vernis eo amin’ny hoho.

Apetraka amin’ny toerana mangatsiaka ny vernis alohan’ny hanosorana azy

Mila apetraka amin’ny toerana mangatsiaka, toy ny vata fampangatsiahana, ny vernis amin’ny hoho alohan’ny hametahana azy. Mila arovana amin’ny hafanana sy ny hazavana ny vernis mba hampaharitra azy rehefa mipetaka amin’ny hoho. Raha tsy manana vata-fampangatsiahana dia apetraka anaty bol misy rano mangatsiaka sy amin’ny toerana maizimaizina ilay vernis alohan’ny ampiasana azy. Voatazona tsara ny halefaka sy ny fitsiranoky ny vernis rehefa tratry ilay hatsiaka.

Diovina amin’ny dissolvant ny hoho alohan’ny hametaha vernis

Mila diovina tsara hatrany ny hoho alohan’ny hametahana ny vernis mba hampaharitra ity farany. Ny tena tsara dia mampiasa dissolvant sy coton hanadiovana ilay hoho. Kosehana tsara mba hiala ireo loto, ary indrindra ilay tavy mipetraka ambonin’ny hoho izay mora mampiempaka sy mampiala ny vernis. Mba hiarovana ny fahasalaman’ny hoho dia dissolvant tsara kalitao hatrany no ampiasaina. Fadiana ireo karazana dissolvant mora vidy hita eny amoron-dalana ireny noho izy ireo matetika mitahiry akora manimba hoho. Afaka soloina vinaigitra fotsy ihany koa ilay dissolvant raha tsy misy intsony ao an-trano.

Karakaraina atao malama tsara ny tampon’ny hoho

Mora miempaka sy mora miala ny vernis amin’ny hoho rehefa tsy malama tsara ny tampon’ity farany. Mba hampaharitra kokoa ny vernis dia tsara izany raha kikisana atao malama sy mitovy tantana (polir) ny tampon’ny hoho alohan’ny hanosorana izany. Mahatsara ny endriky ny hoho tanana sy ny hoho tongotra misy vernis ihany koa moa ny fanaovana izany. Tsy adinoina ihany koa ny manosotra « base » mba hampirafitra tsara ny vernis. Rehefa vita izay dia miroso amin’ny fanosorana ny vernis.

Mampiasa base coat aorian’ny fanosorana vernis

Rehefa voahosotra ny vernis dia hosorana base coat eo amboniny. Hosorana indray mandeha aloha eo amin’ny lohan’ny hoho. Io faritra iray io tokoa mantsy no mora miala indrindra no izy voadona matetika rehefa mampiasa ny tanana. Avy eo osorana ilay base ny tampon’ny hoho manontolo. Miaro ny vernis tsy ho mora kiaka sy hiala vetivety. Avela maina amin’ny rivotra mangatsitsiaka ary lomana rano mangatsiaka ilay hoho avy nosorana vernis mba hitana tsara. Tandremana tsy lemana amin’ny rano mafana ilay hoho mandritra ny adiny 12 avy nanosorana ny vernis.

Lire la suite

Articles Similaires