• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Cigarette électronique : tsy mankarary tokoa ve raha oharina amin’ny sigara tsotra ?

07/09/2023 13:58 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ireo mampiasa "cigarette électronique" eto Madagasikara. Ny mpifoka sigara te hiala amin’izany na mahatsapa fa ratsy ho an’ny fahasalamana ny sigara matetika no mampiasa cigarette électronique. Tsy mankarary tokoa ve ny cigarette électronique raha oharina amin’ny sigara ?

Inona ny atao hoe cigarette électronique ?

Ny "cigarette électronique" na e-cigarette na vapoteuse dia fitaovana iray mamokatra entona natao ho trohana amin’ny vava. Amin’ny ankapobeny moa dia mandeha bateria ny e-cigarette. Misy rano manokana (e-liquide) ampiasaina amin’izy ireny ary misy singa manafana (résistance) izany ao anatin’ilay cigarette électronique. Misy karazany maro ihany koa moa ny cigarette électronique, na eo amin’ny habeny, ny tanjany, ny vidiny na ny fampiasana azy.
Rehefa mafana ilay e-liquide dia mivadika entona sy manome "hit" izay fahafinaretana tsapa any amin'ny faran'ny tena. Misy nicotine, tsiro sy hanitra ny e-liquide ampiasaina amin’ny e-cigarette. Misy ihany koa ny e-liquide tsy misy nicotine (sans nicotine) ho an'ireo izay tsy te handray "tabac" intsony.

Inona no maha samihafa ny sigara sy ny cigarette électronique ?

Rehefa mifoka sigara ny olona iray dia ampirehetina ilay sigara ka ilay setroka azo amin’izany no fohana. Marihana nefa fa manimba fahasalamana tokoa ny fifohana izany setroka ateraky ny fandoroana izany noho izy mamokatra singa mankarary toy ny goudron, monoxyde de carbone… Tsy ny olona mifoka ihany no tafatroka ny setroka sigara sy mety hararin’izany fa ny manodidina azy ihany koa.
Rehefa mampiasa cigarette électronique dia tsy misy setroka sy fandoroana ny fampiasana azy. Mazava ho azy fa tsy ahitana ireo singa mankarary hita amin’ny setroka sigara ny fifohana e-cigarette. Tsy tokony atahorana mankarary ny manodidina ny fifohana cigarette électronique satria tsy setroka no miparitaka fa entona.

Tsy misy ahiana amin’ny fahasalamana tokoa ve ny e-cigarette ?

Raha oharina amin’ny sigara dia azo lazaina fa tsy mankarary kokoa ny cigarette électronique. Izany nefa tsy midika hoe tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana tokoa ny fifohana e-cigarette mandritra ny fotoana maharitra.
Mbola tsy misy ireo voka-pikarohana manamarina fa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny havokavoka sy ny taovam-pisefoana ny fampiasana azy ireny an-taonany maro. Vahaolana azo ampiasaina ary manampy amin’ny fialana sigara ny cigarette électronique. Tsara kosa nefa raha atao amin’ny antonony ny fampiasana ity farany ary tsy atao maharitra loatra ny fotoana ampiasaina azy.

Lire la suite

Articles Similaires