• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Allodocteurs Africa
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsatsakoatra : ny mahatonga azy ireny sy ny fomba atao hanesorana azy

07/09/2023 10:49 © Moov.Mg

Anisan’ireo fiovana mety miseho amin’ny vatan’ny vehivavy bevohoka ny fisian’ny tsatsakoatra. Maro ireo mitady fomba fanesorana azy ireny mba hiverinan’ny hoditra toy ny taloha. Marihana nefa tsy afaka intsony ny tsatsakoatra. Misy kosa ireo fomba azo atao mba hampisinda sy hampitovitovy azy ireny amin’ny lokon’ny hoditra.

Inona no atao hoe tsatsakoatra sy ireo mahatonga izany

Ny tsatsakoatra na ny vergetures dia ilay karazana tsipitsipika toy ny mivandambandana sy marokoroko hita amin’ny faritra sasan-tsasan’ny amin’ny hoditra. Rehefa mihitatra be loatra ny hoditra ao anatin’ny fotoana fohy dia lasa rovitra ny ao ambanin’ny hoditra (fibres du derme). Miseho avy ety ivelany moa izany faharovitana izany ka ireny no atao hoe tsatsakoatra.
Ny ankamaroan’ny vehivavy mitondra vohoka dia lasa misy tsatsakoatra rehefa mitombo ny kibo sy ny nono. Ireo faritra ireo noho izany no ahitana ny tsatsakoatra eo amin’izy ireny. Mety hisy tsatsakoatra ihany koa ny ankizy vavy miala sakana nohon’ny fitomboan’ny hormone atao hoe colisol ao amin’ny vatany. Eo amin’ny faritry ny fe, ny fitombenana sy ny sandry no mipoitra ireo tsatsakoatra. Ankoatra izay dia mety hisy ireto farany ihany koa ny olona nihangeza be na nihena be tampoka sy tao anatin’ny fotoana fohy.

Ahoana ny fomba fisehon’ny tsatsakoatra ?

Rehefa vao miforona ny tsatsakoatra dia miloko mena na volomparasy noho izy ireo toa ny ratra ka mihasitrana ho azy afaka fotoana vitsivitsy. Misy singa atao hoe collagène ao amin’ny hoditra. Ny collagène dia ilay protéine mampihenjana ny hoditra ka mahatonga azy mahazaka bebe kokoa ilay fihitarana.
Rehefa mitombo ny famokaran’ny vatana collagène dia mivadika ho mazava na somary fotsy ny lokon’ny tsatsakoata. Mandritra ny fitondrana vohoka moa matetika dia tsapa ho somary mangidihidy ireo faritra misy tsatsakaotra vao miforona. Marihana fa tsy aretina ary tsy manaintaina ny tsatsakoatra. Izy ireo mety manova endrika ny hoditra matetika no antony hitadiavan’ireo olona misy azy ireny hevitra hanesorana azy.

Ahoana no atao mba hampisinda ny tsatsakoatra ?

Ny tsatsakoatra dia vokatry ny fahavakisana na faharovitan’ny ao ambanin’ny hoditr, araka ny efa voalaza. Noho izany tsy mety esorina tanteraka izy ireny. Misy kosa ireo fomba azo atao mba hampalefaka azy. Izany hoe averina lasa mitovitovy amin’ny lokon’ny hoditra ireo faritra misy tsatsakoatra. Efa misy moa ireo vokatra samihafa vita avy any ivelany manampy amin’izany fanalefahana ny tsatsakoatra izany.
Misy ihany koa etsy andaniny ny fomba natoraly azo atao, toy ny fampiasana ovy manta. Tsotra ny fanaovana izany. Sasana, voasana ary kikisana ny ovy manta. Fihazina tsara ilay ovy voakiky ary alaina ny ranony. Avela hitsiaka anaty vera mandritra ny adiny iray. Avy eo ariana ilay rano eo ambony ka ilay faikany ambany toy ny « fotaka » iny, antsoina ihany koa hoe tavolon’ovy, no ahosotra isan’andro eo amin’ny faritra misy tsatsakoatra. Avela maina tsara ary kobanina afaka 15 minitra. Amin’ny maha natoraly azy dia mila faharetana ny fanaovana izany torohevitra izany.

Lire la suite

Articles Similaires