• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recette D'Afrique.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana masikita hen’omby malemy tsara

06/09/2023 17:38 © Moov.Mg

Anisan’ny tsakitsaky maro mpankafy tokoa ny masikita. Misy karazany maro moa ny hena azo anaovana izany, toy ny hen’omby, nofon’akoho, nofon-trondro… Ny fikarakarana masikita hen’omby malemy tsara sy matsiro no ‘ndeha ary no ‘ndeha ho resahana.

Ireo zavatra ilaina raha hanao masikita malemy tsara sy matsiro

-Hen’omby mora malemy toy ny filet na tranche fine 1 kg ;
-Menaka ;
-Sira ;
-Tongolo gasy ;
-Sakamalaho ;
-Ranona papay ;
-Vinaigitra ;
-Tantely (raha tiana hisy tsiro mamy) ;
-Hazo na vy fanatsatohana maskita.

Fomba fikarakarana ny masikita malemy tsara

Sasana ny hen’omby ary tetehana en dés arak’izay habeny hitiavana azy. Tsy atao lehibe loatra nefa mba ho mora masaka. Voasana ary kikisana ny tongolo gasy. Kikisana ihany koa ny sakamalaho. Atao anaty koveta kely avokoa ireo akora rehetra, dia ny hena voatetika, ny tongolo gasy sy ny sakamalaho voakiky, ny sira, menaka, ranona papaye, vinaigitra ary ny tantely. Atao mifangaro tsara mba hiditra ao anatin’ny hena ireo akora rehetra mampalemy sy mampatsiro azy ireo. Avela hilona adiny 3 farafahakeliny. Azo alona mandritra ny alina tontolo ao anaty vata fampangatsiahana ihany koa mba halemy tsara.
Rehefa tapitra ny fotoana nandomana azy dia apetraka amin’ny hazo na vy fanatsatohana azy ny hena voatetika. Velomina ny afo hanantonoana ny masikita. Atao antonony tsara ny afo, izany hoe tsy mahery loatra mba tsy handoro ny hena, nefa koa tsy malefaka loatra mba hahamasaka vetivety ny masikita. Alohan’ny hanantonoana ny masikita dia hosorana menaka tsara eo amin’ny vy fanantonoana. Manomana pinceau ihany koa hanosorana menaka hatrany ny vy fanantonoana. Avadibadika ny masikita mba ho masaka tsara sy tsy ho may. Rehefa hita fa mendy sy masaka tsara dia vita izy izay. Aroso vao mafana ary ampiarahana sauce voanjo.

Lire la suite

Articles Similaires