• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpedia
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitaizana : ireo tsara fantatra mikasika ny fampinonoana "mixte"

06/09/2023 11:56 © Moov.Mg

Tsy azo omena sakafo ankoatra ny ronon-dreny na solon-dronono ny zaza latsaky ny 6 volana. Ny fampinonoana mixte no vahaolana hitodian’ny reny miasa na sendra mandeha alavitry ny zaza. ‘Ndeha ary ho resahana ireo zava-dehibe tsara fantatra mikasika ny fampinonoana mixte.

Inona no atao hoe fampinonoana mixte ?

Ny fampinonoana mixte dia ny fandrindrana ny fanomezana rononon-dreny sy ny solon-dronono ny zaza. Izany hoe mampinono ny reny rehefa eo ary omena solon-dronono ny zaza raha tsy eo ny mpampinono azy. Ny zaza latsaky ny enim-bolana dia tsy maintsy rononon-dreny na/sy solon-dronono irery ihany no sakafo azo omena azy. Matetika moa dia ny reny miasa na tsy eo anilan’ny zazany mandritra ny tontolo andro no manao fampinonoana mixte.

Ny fomba hanatanterahana ny fampinonoana mixte.

Vao teraka ny zaza dia azo zarina fampinonoana mixte. Azo omena amin’ny biberon, na sotrokely na kaopy kely ny solon-dronono. Atao izay hahazatra tsikelikely ny zaza hahay hinono amin’ny reniny sy amin’ny biberon mba hahamora ny fandaozana azy rehefa miverina miasa ny reniny. Ny mpitsabo no manoro ny karazana solon-dronono sy ny fatrany omena ny zazakely, arakaraky ny hoe firy volana izy.
Ny mpitsabo ihany koa no mametra hoe isaky ny adiny firy no omena solon-dronono ny zaza atao fampinonoana mixte. Mila tandremana tsara moa izany fe-potoana izany mba hisorohana ny tsy fahalevonan-kanina eo amin’ilay zaza. Somary mavesatra tokoa ny solon-dronono raha oharina amin’ny rononon-dreny.

Torohevitra mahasoa

Marihana fa mitovy avokoa ny solon-dronono rehetra ka tsy misy hoe "marque" iray tonga lafatra. Raha tsikaritra fa tsy zakan’ny zaza ny solon-dronono ampiasaina, ohatra hoe mampisy mibontsimbontsina ny vatany, dia azo atao tsara ny miova ronono. Ny mpitsabo zazakely (pédiatre) no afaka mamaritra sy manoro izany karazana solon-dronono izany.
Raha toa ka marary kibo na mitohana ny zaza rehefa mihinana solon-dronono, dia matetika nohon’ny fahadisoan’ny fatran’ny vovon-dronono nolevonina tamin’ny rano. Izany hoe na kely loatra, na be loatra na tsy nifangaro tsara izany. Mila hajaina tsara ny fatra lazain'ny boaty. Matetika izy io : vovon-dronono 1 sotro kely safovavany ho an'ny rano 30ml.

Lire la suite

Articles Similaires