• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine De Chez Nous
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo : Fikarakarana ovy frite mikarepoka tsara

05/09/2023 17:00 © Moov.Mg

Sakafo efa tsy zoviana amintsika intsony ny ovy endasina na hoe ovy frite hoy isika. Efa nahandro fanao ao an-trano moa izy ity. Maro kosa nefa ireo maniry hanamboatra ilay ovy frite mikarepoka tsara toy ireny hita eny amin’ny restaurant ireny ka ny fomba fikarakarana izany no ‘ndeha hoarahina eto.

Ireo zavatra hilaina hikarakarana ovy frite mikarepoka tsara

-Ovy fanendy toy ny ovy fotsy na ovy meva 1 kg ;
-Vinaigitra 3 sotrokely ;
-Rano ;
-Fécule de maïs ;
-Sira ;
-Menaka hanendasana.
Fomba fikarakarana ny ovy endasina mba hikarepoka tsara

Sasana ny ovy manta ary voasana. Tetehina atao lavalava toy ny fanaovana frite mahazatra ihany. Raha tiana mitovy tetika amin’ilay ovy frite hita any amin’ny restaurant ireny dia esorina ny vodiny roa amin’ny ovy avy eo tetehana lavalava mitovy.

Averina sasana ny ovy voatetika ary alona amin’ny rano nasiana ilay vinaigre 3 sotrokely. Avela hilona mandritra ny 10 minitra avy eo kobanina in-4 amin’ny rano mangatsiaka. Izany dia mba hampiala ny "amidon" izay mampalemy ny ovy rehefa endasina.
Rehefa vita izay dia andrahoina vetivety anaty rano mangotraka ilay ovy. Tsy atao malemy fa atao somary masaka kely fotsiny dia esorina. Atao anaty passoire ilay ovy masamasaka ary avela hitsiaka. Manarak’izany dia apetraka eo ambony lamba madio ary fafana ho maina tsara ireo ovy. Avy eo apetraka fotoana fohy anaty vata fampangatsiahana. Apetraka eo amin’ny toerana mangatsitsiaka raha toa ka tsy manana vata fampangatsiahana.

Fanendasana

Afanaina anaty lapoaly jobo na saba ny menaka hanendasana. Avoaka ny ovy tao anaty vata fampangatsiahana ary rarahana ilay fécules de maïs. Atao mifangaro tsara. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka sy endasina tsikelikely amin’izay ny ovy. Tsy esorina raha tsy somary miova loko.

Lire la suite

Articles Similaires