• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dentelia
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman'ny nify : ireo zava-dehibe tsara fantatra mikasika ny appareil dentaire

05/09/2023 14:24 © Moov.Mg

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona hitantsika manao appareil dentaire eny amin’ny fiaraha-monina eny. Fitaovana fanintsiana nify sosona moa no tena ahafantarantsika azy ireny. Marihana nefa fa maro ireo antony ara-pahasalaman’ny nify ilaina fanaovana ity karazana fitaovana ity. ‘Ndeha ary ho resahana ireo zava-dehibe tsara fantatra mikasika ny appareil dentaire.

Inona no atao hoe appareil dentaire ?

Ny appareil dentaire, antsoin’ny mpitsabo nify hoe « appareil orthodontique », dia fitaovana iray hanintsiana ny nify sosona, mikorontana na mielanelana loatra. Ampiasaina amin’ny fanintsiana ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fipetraky ny valanorano (mâchoires) ihany koa izy ireny. Izany dia ahafahana mahazo nify milamina, tsara endrika ary miasa tsara. Misy karazany maro moa ny appareils dentaires. Ny mpitsabo no mamaritra izay tokony ampiasaina, arakaraky ny fanintsiana ilaina atao amin’ny nify na ny valanorano.
Afaka manao appareil dentaire avokoa na ny ankizy na ny olon-dehibe. Mila manantona mpitsabo kosa nefa ny fisafidianana sy ny fametahana azy ireny. Raha misy mifanintsaka ny nify sosona dia mila esorina ny nify mibahana ahafahana manintsy sy mandrafitra ny nify amin’ny alalan’ny appareil dentaire. Marihana fa mbola lafo vidy tokoa ny fametahana ity fitaovana ity raha ny eto Madagasikara manokana. Mila manomana vola manodidina ny 1 500 000 ariary hatramin’ny 4 000 000 ariary ny olona iray mandra-pahitsy tanteraka ireo nify. Maharitra eo amin’ny 2 taona hatramin’ny 4 taona ny fotoana hitondrana appareil dentaire, arakaraky ny hasarotan’ny fanintsiana ny nify.

Ireo antony ilàna ny fanaovana appareil dentaire

Mazava ho azy fa ny fananana nify mirafitra tsara sy tsara endrika no antony voalohany ilaina ny fanaovana appareil dentaire. Ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny fitsiky dia maro ireo tombontsoa azo amin’ny fananana nify mahintsy sy mirafitra tsara. Anisan’izany ny fanatsarana ny fitsakoana sakafo izay misoroka ny fikorontanana eo amin’ny fandevonan-tsakafo.
Rehefa milamina tsara ihany koa ny fipetraky ny nify dia mora kokoa ny manadio azy sy ny mitsabo azy raha toa ka tratry ny areti-nify. Ny tsy fahatomombanan’ny fipetraky ny valanorano dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny taolana mitazona ny nify. Izany dia mety ahatonga ny nify hiala ho azy amin’ny fitoerany.

Ireo fikarakarana atao rehefa manao appareil dentaire

Mitondra fiovana misimisy eo anivon’ny ati-vava ny fanaovana appareil dentaire. Mitaky fitandremana sy fikarakarana ihany koa moa ny nify satria mora miraikitra ny sakafo :
-Miborosy nify in-3 hatramin'ny in-5 isan'andro ;
-Tsy dia mihinana zavatra mamay na mangatsiaka loatra ;
-Manantona ny mpitsabo nify raha toa ka tapaka, mihetsiketsika ireo vy mipetraka.

Lire la suite

Articles Similaires