• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eclair Parfumeries
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikarakarana ny hodi-tava : ‘ndeha ho resahana ny atao hoe « démaquillage »

05/09/2023 10:13 © Moov.Mg

Tafiditra anatin’ireo fikarakarana ny hodi-tava amin’ny andavanandro ny démaquillage. Fomba fanadiovana ny tarehy izay mila atao isan-kalina moa izy ity. Inona avy ary ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana démaquillage ? Ahoana ny fikarakarana démaquillant natoraly ao an-trano ?

Inona no atao hoe démaquillage ?

Ny démaquillage dia fomba iray hanadiovana ny hodi-tava rehefa alohan’ny hatory. Mila mampiasa démaquillant rehefa hanatanteraka izany. Ny démaquillant moa dia vokatra iray ahitana singa manokana miasa amin’ny fanadiovana tanteraka ny hoditra. Mazava ho azy fa manala ireo loto mipetraka eo ambonin’ny hoditra izany ny démaquilllant. Marihana fa tsy rehefa avy nanao maquillage ihany vao manao démaquillage. Mila atao hatrany ity fanadiovana ny hodi-tava ity na tsy nanosotra ninoninona tamin’ny tarehy aza nandritra ny tontolo andro. Afaka manao izany avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy.

Ireo antony hanaovana démaquillage amin’ny andavanandro

Anisan’ireo faritra mora hipetrahan’ny loto ny hodi-tava. Izany indrindra no ilaina ny hanadiovana azy isan’andro mba ho fikolokoloana ny hatsarany ary indrindra ny fahasalamany. Ny fanaovana démaquillage dia mitondra tombontsoa maro ho an’ny hodi-tava :
-Manakana ny mason-koditra tsy ho tsentsina
Maro ireo antony mety manentsina ny mason-koditra amin’ny andavanandro. Anisan’izany ohatra ny fanosorana produits amin’ny tarehy, toy ny fond de teint, maquillage, crème… Ny hatsembohana sy ny loto mipetraka eo amin’ny hodi-tava ihany koa dia mety manentsina ny mason-koditra ka mampisy mony rehefa ela ny ela. Ny fanaovana démaquillage rehefa alohan’ny hatory irery ihany no ahafahana manala tanteraka ireo loto voalaza ireo. Tsy ampy ny fanasana ny tarehy amin’ny rano, eny na mampiasa savony aza.
-Manatsara ny hodi-tava
Rehefa mijanona eo amin’ny hodi-tava mandritra ny fotoana maharitra ireo loto nentin’ny rivotra sy hatsembohana dia lasa tsy mahazo aina ilay hoditra. Tsy miasa tsara ihany ireo singa manamandina sy mampalefaka azy. Izany indrindra no mahatonga ny tarehy lasa mora misy mikentrona sy toy ny mivaloarika. Ny fanaovana démaquillage isan-kariva no isan’ny fomba mahomby hisorohana izany. Tsy adinoina ihany koa ny manampy izany amin’ireo fikarakarana hoditra toy ny fanomezana rano, ny fiarovana azy amin’ny masoandro…

Ireo démaquillants natoraly afaka amboarina ao an-trano

Maro ireo karazana démaquillants vokarin’ireo mpamokatra matianina any ivelany. Ho an’ireo maniry hampiasa vokatra natoraly kosa dia azo atao tsara ny manamboatra démaquillant ao an-trano.
-Démaquillant vita amin’ny yaourt nature sy menaka olive
Tsotra ny fikarakarana. Afangaro tsara ny yaourt nature iray sotrokely sy ny menaka olive iray sotrokely dia vita ny démaquillant. Ny hodi-tava makiana sy mila homena rano no ampiasana ity vokatra iray ity. Tsy mety amin’ny hoditra matavy (peau grasse).
-Démaquillant azo amin’ny vahona
Akora natoraly azo ampiasaina atao démaquillant ny vahona noho ireo singa miasa ao amin’ny manampy betsaka amin’ny fanomezana rano sy fikolokoloana ny hoditra. Alaina ny dintin’ny vahona iray sotro fihinanana ary afangaro amin’ny huile d’olive tapaky ny sotrokely. Afangaro tsara ahazoana démaquillant mety amin’ny hoditra matavy na hoditra misy mony.

Lire la suite

Articles Similaires