• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana mofo anana mikarepoka tsara

04/09/2023 17:46 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo malagasy ankafizin’ny maro ny mofo anana. Tsotra, mora atao ary tsy be masokarena ny fomba fikarakarana azy. Azo atao goûter ary azo atao fitadiavam-bola ihany koa moa ity karazana sakafo ity. Ahoana ary ny fomba fanamboarana mofo anana mikarepoka tsara ?

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanamboarana mofo anana

-Anandrano 300 g
-Voatabia 3 lehibe
-Sira
-Tongolo gasy
-Lafarina varimbazaha (farine de blé) 8 sotro fihinanana
-Kobambary 4 sotro fihinanana
-Rano mangatsiaka
-Levure chimique tapaky ny sotrokely
-Menaka fanendasana

Fomba fikarakarana mofo anana mikarepoka tsara

Tangosana ny anandrano ary sasana tsara. Sasana ary tetehana atao "en dés" ny voatabia. Avy eo avela hitsiaka anaty passoir. Manarak’izay, afangaro ny lafarina, ny levure, ny kobambary, ny sira ary ny tongolo gasy voakiky. Arotsaka ny rano mangatsiaka mandra-pahazo "pate" somary mitsiranoka. Aroharohana tsara mba tsy hisy grumeau na lafarina mitambaingana. Arotsaka manarak’izay ny anana sy ny voatabia voatetika dia afangaro tsaro daholo.
Hafanaina anaty lapoaly ny menaka. Tandremana tsy ho be loatra ny menaka hanendasana. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka tsikelikely amin’ny sotro fihinana ny pate. Avadika rehefa hita fa somary mendy. Avela hitsiaka tsara ny menaka rehefa manala ny mofo anana masaka ao anaty lapoaly.

Lire la suite

Articles Similaires