• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpedia
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny zaza : Fantaro ny hernie inguinale

04/09/2023 10:44 © Moov.Mg

Misy karazany maro ny « hernie ». Ny hernie inguinale, izay mpahazo ny zaza sy ny ankizy, ary isan’ny mateti-pitranga indrindra, no ho resahantsika eto. Inona no atao hoe hernie inguinale ? Ahoana ny fomba fisehony ? Ahoana ny fitsaboana izany ?

Inona no atao hoe hernie inguinale ?

Ny hernie inguinale no isan’ny hernie mpahazo ny zaza sy ny ankizy indrindra. Avy amin’ny fitsofohan’ny tsinay ao anaty lavaka voajanahary tsy nikatona ara-dalàna hatrany am-bohoka no anton’izany. Eo anelanelan’ny kibo sy ny fitoeran’ny testicule (bourse) no misy izany lavaka voajanahary izany ho an’ny lahy kely. Eo anelanelan’ny kibo sy ny ovaire kosa ho an’ny vavikely.
Marihana fa tokony nikatona ho azy hatrany am-bohoka io lavaka voajanahary io. Rehefa tsy nitakotana io lavaka io dia mitsofoka ao ka lasa tery ao ny tsinay (ho an’ny zazalahy) ary ny ovaire na koa ny tsinay (ho an’ny vavikely) ka izay no atao hoe hernie inguinale.

Ahoana ny fomba fisehon’ny hernie inguinale ?

Mitovy ny fomba fisehon’ny hernie inguinale eo amin’ny zazalahy sy zazavavy kely. Rehefa mihenjana ny kibon’ilay zaza dia misy taova voatosika ao, izany hoe ny tsinay na ny ovaire. Rehefa mitomany, mihikiaka na mihevona ny zaza mahazana no mahatonga ny fihenjanana eo amin’ny kibony.
Raha izany no mitranga dia misy mibontsina na mivonto eo amin’ny andaniny sy ankilan’ny taovam-pananahana. Rehefa mitony kosa ilay zaza dia miverina any anaty kibo ilay tsinay na ovaire ka toy ny afaka ho azy ilay fivontosana. Miverina indray nefa izany rehefa mihenjana ny kibony.

Ny fahasarotana mety aterak'izany

Mety misy fiantraikany goavana tokoa ny hernie inguinale raha toa ka tsy voatsabo. Ho an’ny zazalahy kely, rehefa mivoaka eo amin’ilay lavaka kely ny tsinay dia potsitra ny lalan-drà tokony mamelona ny testicule. Manimba tsikelikely ilay testicule izany ary mety tsy mampiteraka any aoriana any. Raha be loatra ny tsinay tafasisika ao amin’ilay lavaka ka kenda ao izany dia mety miafara amin’ny fahapahan’ilay tsinay izany na koa mitarika amin’ny fahafatesana. Izay ilay atao hoe hernie étranglée. Tranga mateti-pitranga izy io, indrindra eo amin’ny zaza latsaky ny enim-bolana.
Ho an’ny zazavavy kely dia ny ovaire no mandeha ao amin’ilay lavaka voajanahary io. Mora simba nefa ny ovaire. Ny fivezivezeny ao amin’ilay lavaka io dia ampy hahasimba azy ka mety tsy hampiteraka rehefa any aoriana. Raha misy tsinay tafatsoka ihany koa ao dia mety ho kenda ao ilay tsinay ka mahatonga hernie étranglée.

Ny fomba fitsaboana hernie inguinale

Ny fandidiana ihany no fomba mahomby ho fitsaboana ny hernie inguinale. Taloha nampiasa ceinture ny mpitsabo hangejana avy aty ivelany ilay lavaka voajanahary mba hampikatona azy. Tsy ampiasaina intsony izany fomba fitsaboana izany ankehitriny satria raha voageja mafy loatra ilay lavaka dia mety ho voatery mafy ao ihany koa ilay lalan-drà mamelona ny testicule. Raha toa ihany koa ka mbola eo ilay ceinture nefa misy tsinay tafiditra ihany dia mety hanimba ilay tsinay ny fampiasana ilay ceinture.

Ny dingana atao alohan’ny fandidiana hernie

Vao tsikaritra fa misy mivonto tsy mahazatra eo amin’ny faritra akaikin’ny taovam-pananahan’ny zaza, indrindra rehefa mitomany izy, dia manantona mpitsabo avy hatrany. Ny fizahana ataon’ny mpitsabo no manamarina fa hernie inguinale tokoa no mahazo ilay zaza. Alohan’ny fandidiana dia atao fitiliana ny zaza ary jeren’ny mpampatory (anesthésiste) ny valin’ny fitiliana. Rehefa vita ny fizahana rehetra dia miroso amin’ny fandidiana.
Mila manomana enti-manana handoavana ny saran’ny fitiliana ny ray aman-dreny. Raha misafidy hanatanteraka ny fandidiana amin’ny hopitalim-panjakana dia manomana ny saran’ny fanafody.
Raha tsy misy fahasarotana ny hernie eo amin’ny zaza dia vita vetivety ny fandidiana. Raha didiana ny maraina dia afaka mody ny hariva. Tsy azo andrasana misy fahasarotana noho izany ny hernie inguinale vao didiana.

Lire la suite

Articles Similaires