• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Information Dentaire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘Ndeha ho fantarina ny aretina kitrotro na rougeole

31/08/2023 14:59 © Moov.Mg

Aretina vokatry ny viriosy izay mahazo ny ankizy ny kitrotro. Mety mitarika fahasarotana sy fahafatesana ity farany voatsabo ara-dalàna. Fa inona tokoa moa ny aretina kitrotro ? Ahoana ny fisehony sy ny fitsaboana azy ? Inona ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina kitrotro ?

Ny kitrotro na rougeole dia aretin-jaza vokatry ny fahatafidiran’ny viriosy ao amin’ny taovam-pisefoana. Areti-mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny kitrotro. Izany hoe rehefa mikohoka na mievona ilay marary dia mijanona eny amin’ny rivotra eny ilay viriosy ka mifindra amin’ny olona miaina izany eo amin’ny manodidina. Ankoatra izay dia mifindra amin’ny reny sy zazakely mandritry ny vohoka, fiterahana, ary fampinonoana ihany koa ny kitrotro.
Amin’ny ankapobeny dia tsy misy atahorana loatra ity aretina iray ity. Nefa kosa raha misy ny fahasarotana dia mety mitarika hatrany amin’ny fahafatesan’ilay marary. Ny fanaovana vaksiny no fomba ahafahana misoroka ny aretina. Samy mety ho voan’ny kitrotro avokoa na ny zazakely, na ny ankizy na ny olon-dehibe. Ireo olona tsy vita vaksiny sy kely hery fiarovana matetika no voan’izany.

Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina ?

Maro ireo fambara ahafantarana fa voan’ny kitrotro ny olona iray. Amin’ny ankapobeny dia hita soritra ety ivelany izany :
-Mafana hoditra na manavy ;
-Mikohoka ;
-Mitsoni-delo ;
-Marary an-doha ;
-Mena ny maso ary lasa misy ranomaso sy tai-maso ;
-Mivoaka mandrotsirotsy mena ny vatana, manomboka ny tenda sy tarehy ary miparitaka amin’ny vatana ;
-Misy tasy fotsy anaty ati-vava ;
-Reraka;
-Mivalana.
Raha mihasarotra ny aretina kitrotro dia mampiseho soritr’aretina toy ny fahasemporana, fivalanana matetika be, areti-tenda, fanintona, falemena, tsy fahatsiarovan-tena ary fahafatesana.

Ahoana ny fitsaboana ny kitrotro sy ny fisorohana azo atao ?

Raha mampiseho ireo fambara ahafantarana fa voan’ny kitrotro ny olona iray dia entina avy hatrany any amin’ny mpitsabo. Amin’ny ankapobeny moa dia ireo fanafody fampitomboana hery fiarovana no fitsaboana ny kitrotro. Anisan’izany ny vitamine C sy ny vitamine A. Afaka omena sakafo manankarena ireo vitamines ireo toy ny papay, persil ary karaoty ihany koa ny marary. Mahazo fanafody mampidina hafanana ihany koa. Tsy avela misotro na mikitika rano mangatsiaka ny marary. Tsy mihinana sakafo misy menaka na misy siramamy ihany koa.
Mba hisorohana ny aretina kitrotro dia mila atao vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana ny zaza. Tafiditra ao anatin’ireo vaksiny maimaim-poana alohan’ny faha 9 volan’ny zaza ny fiarovana amin’ny kitrotro. Misy ihany koa ny rappel atao alohan’ny faha 5 taonany. Mba tsy hiparitaka ny aretina dia tsy tokony mifanerasera amin’ny olona efa marary. Ilaina ihany koa ny mihinana persil, papay sy karaoty matetika mba hampiakarana ny hery fiarovan’ny vatana, indrindra mandritra ny fotoana fiparitahan’ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires