• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France Bleu
Image
Fahasalamana&Sakafo

Charcuteries : mankarary ny fihinanana azy be loatra !

31/08/2023 11:31 © Moov.Mg

Mortadelle, salami, pâté, saucisson, ... Matsiro tokoa ny "charcuteries" sady mampazoto homana. Matetika ifandrombahana tokoa izy ireny na ao an-trano na amin'ny fety isan-karazany. Mila mitandrina tsara nefa amin'ny fandanjalanjana ny fihinanana azy ireny satria mety hankarary.

Inona no antony mahatonga ny charcuteries mety hamparary ?

Anisan’ireo sakafo ambaran’ny mpitsabo ho mila ferana, na fadiana mihintsy raha azo atao, ny « charcuteries » noho izy ireny mety hisy vokadratsy ho an’ny fahasalamana. Marihana fa ny ankamaroan’ny charcuteries dia nokarakaraina avy amin’ny hena manta tsy nandalo fandrahoana. Fantatra nefa fa ny hena manta, indrindra ny hena kisoa, dia mety hitarika aretina toy ny salmonelle sy ny cysticercose.
Amin’ny maha-hena voaodina ny charcuteries dia maro ireo akora ampiasaina amin’ny fitehirizana sy fanomezana tsiro azy ireny. Misy amin’ireo akora ireo no mitarika aretina toy ny aretin’ny fo sy ny homamiadana raha toa ka mihinana charcuteries matetika sy betsaka loatra. Ankoatra izay moa dia fantatra fa sakafo mora simba sy mivadika tokoa ny charcuteries raha tsy voahaja ny fepetra fitehirizana azy ireny. Ny fihinanana charcuteries simba dia mahatonga fanampoizinana ara-tsakafo na « intoxication alimentaire ».

Isaky ny inona no tokony hihinana charcuteries ?

Tokony ferana araka izay azo atao ny fihinanana charcuteries mba hisorohana ny aretina mety ho azo avy amin’izany. Izany hoe ndray mandeha isan-kerinandro fara-fahabetsany no mihinana charcuteries, ary tsy tokony hihoatra ny 25 g isan’olona ny fatra hoanina. Tafiditra anatin’izany avokoa rehefa charcuteries na ny mortadelle, pâté, saucisson, jambon… Raha azo atao dia fadiana ny mividy ireny charcuteries amidin’ny olona mandehandeha ireny. Maro amin’izy ireny no tsy manaraka ny fenitra takiana amin’ny fanamboarana charcuteries azo antoka sy ara-pahasalamana.

Iza avy no tena tsy mahazo mihinana charcuteries ?

Ireo olona mora andairan’ny aretina vokatry ny charcuteries no tena tsy mahazo mihinana azy ireny. Tafiditra ao anatin’izany moa ny zazakely, ny vehivavy bevohoka ary ny beantitra. Mety mamindra ny aretina toxoplasmose amin’ny zaza ao an-kibo ny fihinanan’ny reny mitondra vohoka charcuteries. Ny zaza mihoatra ny telo taona afaka mihinana « jambon maigre » fa amin’ny fatra kely ihany ary tsy mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro. Tsy tokony hihinana charcuteries ihany koa ny olona marary aty, marary vavony ary indrindra ireo voan’ny goty satria mety vao maika hampihetsika ny aretina ny fihinanana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires