• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goûter ho an’ny ankizy : ny fomba fikarakarana mofo baolina

30/08/2023 16:57 © Moov.Mg

Tsy mora tokoa ny mitady goûter aroso ho an’ny ankizy amin’izao fialan-tsasatra izao. Atoro anao eto indray ary ny fomba fikarakarana mofo baolina mipasaka tsara sy matsiro.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra mofo baolina

Tsy sarotra ny manangona ireo akora ilaina. Hita eny amin'ny "épicerieé avokoa ireto fangaro ireto :
-Lafarina 500 g
-Levure chimique antsasaky ny sachet na 15 g
-Atody 3
-Siramamy 80 g
-Dibera 50 g efa natsonika
-Ronono tapaky ny vera
-Menaka sakafo hanendasana azy
-Lapoaly jobo na vilany saba

Fomba fikarakarana mofo baolina mipasaka tsara

Kapohana anaty bol ny atody sy ny siramamy. Tohizana hatrany mba hiakatra. Afangaro ny lafarina sy ny levure ary arotsaka ao anatin’ny atody sy siramamy efa voakapoka. Afangaro tsara. Arotsaka avy eo ny dibera natsonika ary aroina hatrany. Arotsaka tsikelikely ny ronono. Tsy atao matsora ny paty fa rehefa hita fa antonony sy ho mora atambatra dia tsy tapohana ronono intsony.

Marihana fa atao hariva ny paty ary avela hilona indray alina ka ny ampitso vao endasina. Izany dia mba hampiaina tsara azy ahafahana mahazo mofo baolina malefaka sy mipasaka tsara.
Rehefa tonga ny ampitso dia afanaina ao anaty vilany saba na lapoaly jobo ny menaka hanendasana. Volavolaina atao boribory amin'ny sotro na sotrobe ny paty, araky ny habeny izay tiana. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka ireo mofo baolina. Atao malefaka ny afo satria raha mamay loatra dia ho may ny ivelan’ny mofo ary tsy ho masaka ny ao anatiny. Mamadi-tena sy mipasaka hoazy ny mofo baolina endasina. Esorina ambony afo rehefa hita fa mendy tsara.

Lire la suite

Articles Similaires