• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vehivavy afa-jaza : mila maka aina sa afaka miteraka avy hatrany ?

30/08/2023 11:32 © Moov.Mg

Fanontaniana manitikitika ny sain’ny olona maro ny hoe : mila maka aina sa afaka miteraka avy hatrany ve ny vehivavy afa-jaza ? Mba hamaliana izany fanontaniana izany indrindra dia andeha resahana ireo torohevitra rehetra mahasoa ny vehivavy afa-jaza.

Ireo zava-dehibe tsara fantarina mahakasika ny vehivavy afa-jaza

Atao hoe afa-jaza ny vehivavy iray raha toa ka tafavoaka tsy nahy na tsy fanahy iniana tao ivelan’ny tranon-jaza ny zaza tao an-kibo. Matetika moa dia ao anatin’ny telo volana voalohan’ny fitondrana vohoka no mitranga izany fahafahan-jaza izany. Misy ireo fambara ahafantarana ny vehivavy afa-jaza :
-Misy rà mandeha miaraka amin’ny vaingan-drà ;
-Mahatsiaro fanaintainana eo ambanin’ny kibo ;
-Tsy tsapa intsony ireo fambara niseho nandritra ny fotoana nitondrana vohoka…
Raha mitranga ny iray na ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo avy hatrany ny vehivavy bevohoka. Ny fizahana ataon’ny mpitsabo no afaka manamarina fa afa-jaza tokoa ny vehivavy iray.

Inona no tokony ataon’ny vehivavy avy afa-jaza ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy tokony ahiana ny amin’ny vehivavy afa-jaza. Toe-javatra mety mitranga izany ary tsy manakana fitondrana vohoka rehefa aoriana kely. Mila mizaha fahasalamana tsara kosa nefa ny vehivavy avy afa-jaza. Manantona mpitsabo mba ahafantarana ny olana nahatonga ilay fahafahan-jaza. Tanterahana tsara ny fitsaboana mila atao raha toa ka misy aretina mampiahiahy. Raha toa ka efa nihoatra ny telo volana ny kibo, izany hoe efa nisy ahitra tao amin'ny tranonjaza, dia tsy maintsy atao "curetage".

Afaka miteraka avy hatrany ve ny vehivavy afa-jaza ?

Mitovy ny vehivavy avy niteraka sy afa-jaza. Nisy fiovana nitranga tao anatiny rehefa avy niforonan’ny zazakely sy namoaka izany tao amin’ny tranon-jaza. Mila maka aina toy ny mifana ihany noho izany ny vehivavy afa-jaza, indrindra raha efa nitoe-jaza amam-bolana maromaro.
Mila miandry enim-bolana vao manao bevohoka indray ny vehivavy afa-jaza. Io fotoana io no ilain’ny vatana mba hampiverina amin’ny laoniny ireo taova rehetra niasa mafy nandritra ny fitondrana vohoka. Ilaina ihany koa izany fe-potoana izany mba hampiverina ny aina sy mampitony ny alahelo nateraky ny tsy fahazoana ilay menaky ny aina niriana.
Amporisihana ny fizahana ara-pahasalamana ahafantarana izay antony tena nahatonga ny fahafahan-jaza. Misy ohatra ireo vehivavy efa nanala zaza na nihinana fanafody be loatra tany aloha no tokony hatao "cerclage" amin'ny fitondrana vohoka manaraka noho ny tsy fahatomombanana ao amin'ny tranon-jaza.

Lire la suite

Articles Similaires