• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vol-Direct.Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ananambo na « Moringa » : Ireo tombontsoa azo avy aminy

29/08/2023 17:10 © Moov.Mg

Maro isika no tsy mahafantatra ny ananambo ka mandalo fotsiny rehefa mahita azy ireny eny an-tsena eny. Fantaro fa sakafo mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny ananambo, antsoina ihany koa hoe Moringa.

Mitahiry otrik’aina sy mineraly maro ilain’ny vatana ny ananambo

Zava-maniry iray manankarena vitamines, mineraly ary antioxydants ny ananambo. Manampy betsaka amin’ny fitondrana otrik’aina ao amin’ny vatana ny fihinanana azy. Saika hita ao anatiny avokoa ireo singa ilaina mba hahasalama tsara. Mitahiry vitamines A sy C, kalsioma, protéines ary potassium mihoatra lavitra ny akondro, karaoty sy voasary ny ananambo.
Tsara mihinana azy ity ny mpanao fanatanjahan-tena noho izy manankarena protéines, vitamines sy acides aminés. Afaka mampiasa vatana amin’ny fotoana maharitra kokoa ireo mihinana azy, sady mora miverina ny aina rehefa vita ny fikotranana. Mahasoa ny ankizy sy ny beantitra ihany koa ny moringa noho izy mitondra hery sy manamafy ny hery fiarovana.

Ireo vokatsoa entin’ny ananambo ho an’ny fahasalamana

Ny ananambo dia sakafo iray mitondra hery sy tanjaka ho an’ny vatana noho izy mitahiry vitamine C amin’ny tahany ambony. Manavao ny sela ary misoroka karazana aretina maro toy ny diabeta, ny cholestérol… ny fihinanana azy. Ankoatra izay dia manatsara ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà ny moringa. Manamafy ny taolana ihany koa ny fihinanana azy eo amin’ny ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires