• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : mahasalama tokoa ve ny tsy fihinana hena ?

29/08/2023 15:47 © Moov.Mg

Efa nalaza hatry ny ela any ivelany ny « régime végétarien » izay fomba fisakafoanana mifady hena. Misy Malagasy vitsivitsy manaraka izany régime izany ihany koa nefa eto amintsika. Ny fitandrovana ny fahasalamana no antony voalohany mahatonga azy ireo hifady hena. Mahasalama tokoa ve ny tsy fihinana hena intsony ?

Ireo tombontsoa entin’ny hena ho an’ny vatana

Sakafo maro mpankafy efa hatry ny ela ny hena noho izy ireny matsiro sy afaka andrahoina amin’ny fomba maro samy hafa. Manankarena protéines izy ireny ka mitondra tombontsoa maro ho an’ny fahasalaman’ny taolana sy ny hozatra. Ahitana acides aminés izay manavao ny sela ao amin’ny vatana ihany koa ny hena. Ankoatra izay dia maro ireo mineraly hita ao amin’ny hena. Anisan’izany ny fer, zinc, vitamines… Mety hita ao anaty sakafo ahitana voamaina, legioma ary voankazo miaraka ihany koa ireo karazana otrik’aina sy mineraly entin’ny hena ireo.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fihinana hena

Maro ireo fikarohana tany ivelany nampiseho ireo mety ho vokadratsin’ny fihinana hena eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Voamarina tamin’izany fa mety mahatonga aretin’ny fo, diabeta karazany faharoa, homamiadana… ny fihinanana hena be loatra. Ny hena mena, indrindra ny avy amin’ny hen’omby, no tena voakasik’izany. Anisan’ny tena mankarary ihany koa ireo karazana sakafo avy amin’ny hena voaodina toy ny charcuteries. Voamarin'ny mpikaroka ihany koa fa misy vokadratsiny kokoa ireo hena natao kitonotono na « grillées » raha oharina amin’ny hena nandrahoina na nendasina.

Ilaina ny mihinana hena fa amin’ny fatrany antonony

Arak’ireo hita teo ambony ireo dia maro ny tombontsoa entin’ny fihinanana hena ho an’ny vatana. Mety mitarika tsy fahampiana otrik’aina sy mineraly ilain’ny vatana noho izany ny fifadiana hena tanteraka. Mba hisorohana ireo voka-dratsy mety ateraky ny fihinanana hena nefa dia mila lanjalanjaina tsara ny fatra hohanina isan’andro. Ferana ho 100 g isan-kerinandro ny hena ary fadiana arak’izay azo atao ny mihinana kitonotono. Tsara ihany koa raha ahena tanteraka ny fihinanana hena mena, ka ny trondro sy ny hena fotsy no atao betsaka.

Lire la suite

Articles Similaires