• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ipnoze
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘ndeha ho fantarina ny atao hoe tevi-janahary

29/08/2023 08:39 © Moov.Mg

4 hatramin’ny 10 isan-jaton’ny mponina eto Afrika no misy tevi-janahary. Tsy dia misy ahiana ity farany amin’ny ankapobeny, nefa misy fotoana ihany koa mety hanonotra. ‘Ndeha ho resahina eto ary ireo mila fantatra mahakasika ny tevi-janahary.

Inona no atao hoe tevi-janahary ?

Ny tevi-janahary, antsoin’ny mpitsabo hoe « sinus préauriculaire », dia ilay lavaka kely eo ambonin’ny ravin-tsofina toy ny hoe notevehana. Tsy fahatomombanana tamin’ny fiforonan’ny taovam-pandrenesana foiny mbola tao an-kibo no mahatonga azy. Izany hoe efa hatrany am-bohoka noho izany ny tevi-janahary. Matetika dia amin’ny sofina havanana no ahitana azy fa mety hisy izany ihany koa ny sofina roa. Tsy miteraka olana eo amin’ny fandrenesana ny tevi-janahary amin’ny ankabobeny. Tsy azo atao ny manisy kavina eo aminy mba hisorohana ny fidiran’ny loto. Marihana mantsy fa mety hidiran’ny mikraoba ity lavaka kely manamorona ny sofina ity.

Manao ahoana ny fisehon’ny tevi-janahary nidiran’ny mikraoba ?

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy misy atahorana ary tsy manelingelina ny tevi-janahary amin’ny ankapobeny. Misy fotoana kosa nefa mety hidiran’ny mikraoba ity farany ka manao infection. Izany hoe rehefa tafiditra ao anatin’ilay lavaka kely ny mikraoba dia miandrona ao ka lasa mamorona abcès. Raha izany no mitranga dia mety hanavy ilay olona, hanaintaina mafy ilay sofina ary mety ho vaky ho azy ilay abcès ka hamoaka nana mitsiranoka sy misy fofona ratsy.

Ahoana ny fitsaboana ny tevi-janahary manao infection ?

Tsy maintsy manantona mpitsabo ny marary rehefa manao infection ny tevi-janahary. Izany hoe raha hita mivonto manao abcès, mamoaka tsiranoka mamofona ary manaintaina eo amin’ny faritry ny sofina misy ilay lavaka kely. Ho fitsaboana izany dia vakian’ny mpitsabo ilay abcès mba hivoaka avokoa ireo nana. Dioviny tanteraka ilay tevi-janahary ary omeny fanafody manasitrana ilay infection sy mampitony ilay fanaintainana ilay marary. Raha miverina matetika ny infection eo amin’ny tevi-janahary dia mila mandalo fandidina mba hanakombonana ilay lavaka kely. Izany dia mba tsy hidiran’ny mikraoba intsony.

Lire la suite

Articles Similaires