• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cookpad.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo : fikarakarana trondro mitovy amin’ny sardine amin’ny boaty

28/08/2023 16:52 © Moov.Mg

Maro isika no mankafy ireny sardine amin’ny boaty ireny. Entina eto ary ny fomba fikarakarana sy fandrahoana trondro mba hahatonga azy malemy sy matsiro mitovy amin’ny sardine amin’ny boaty.

Zavatra ilaina raha hikarakara trondro ho toy ny sardine amin’ny boaty

-Trondro sardines na trondro matavy betsaka omega 3 toy ny maquereaux
-Menaka sakafo
-Sira
-Rano
-Hanitra toy ny thym, dipoavatra (voniny), …

Fomba fikarakarana sy fandrahoana

Sasana tsara ary diovina tsara ny trondro. Tsy esorina ny lohany satria sady mitondra tsiro no halemy tsara rehefa masaka ny nahandro. Rehefa madio dia rarahana sira ary afangaro tsara. Avela hipetraka eo amin’ny antsasakadiny mba ho levona ny sira. Alaina ny vilany ary alahadahatra tsirairay ao anatiny ny trondro. Rehefa izay dia araraka ny dipoavatra ary apetraka eo amboniny ny thym.
Rarahana menaka atao mandifotra azy ny trondro ary apetraka eo ambony afo malefaka ny vilany misarona. Endrasana mafana ny menaka dia ampiana rano eran’ny kaopy. Avela miketrika mandritra ny adiny roa sasany eo ambony afo malefaka hatrany.

Jerena matetika ary ampiana rano eraky ny kaopy hatrany isaky ny ritra mandra-palemy ilay trondro. Rehefa vita ny nahandro dia malemy tsara hatramin’ny lohany ilay trondro ka tsy misy faikany intsony rehefa mihinana azy.
Tandremana tsara mba tsy ajanona ela loatra eo ambony afo satria lasa malemy loatra ary potika ilay trondro. Raha esorina vetively loatra indray dia tsy halemy fa ho toy ny trondro nendasina. Mila faharetana ary fahazotoana manapoka rano hatrany ny fikarakarana ity sakafo ity.

Lire la suite

Articles Similaires