• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo vokatsoa entin’ny fisotroana ronono

28/08/2023 15:48 © Moov.Mg

Maro ireo olona tsy sahy misotro ronono noho ny tahotra ny harary kibo na hanao allergie. Misy tokoa ireo tsy afaka misotro ronono nohon’ny tsy fahazakan’ny vatany izany (intolérance). Ho an’ireo mahazaka nefa matahotra dia ampahafantarina eto ireo vokatsoa entin’ny fisotroana ronono eo amin’ny vatana.

Manampy amin’ny fitomboan’ny ankizy sy ny tanora

Maro tokoa ireo otrik’aina ilain’ny vatan’ny ankizy sy ny tanora na ireo atao hoe "zaza mitombo". Ny fisotroana ronono iray vera isan’andro dia manampy azy ireo amin’ny fitomboan’ny taolana. Mitahiry kalsioma amin’ny tahany ambony tokoa ny ronono ka mandray anjara ny fitombon’ny ankizy amin’ny halavana sy ny habe. Ankoatra izay dia ahitana mineraly mahamafy ny nify sy ny taolana ao anatin’ny ronono.

Mampitombo ny hery fiarovana

Mitahiry protéine antsoina hoe "lactoferrine", "fotale" ary zinc ny ronono. Ireo singa telo ireo dia mandray anjara lehibe amin’ny fandanjalanjana sy fampitomboana ny hery fiarovan’ny vatana. Ankoatra izay dia ahitana vitamine A ao amin’ny ronono. Ity vitamine ity dia manamafy ny hery fiarovana mba hiadiana amin’ny karazana aretina sasany entin’ny viriosy.

Manatsara ny fiasan’ny "système nerveux"

Ny "système nerveux" no mandrindra sy mampifandray ny ati-doha sy ny vatana. Mila tomombana tsara noho izany ny "système nerveux" mba ahafahany manao ny asany ara-dalàna. Ny ronono dia mitahiry vitamines 9 karazany mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny "système nerveux". Mila misotro ronono iray vera isan’andro noho izany ny olona iray mba ahafahana misitraka izany tombontsoa izany.

Mandray anjara amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra

Maro ireo singa hita ao amin’ny ronono izay manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra. Anisan’izany ny vitamine A izay manamafy ny hoditra sy miaro azy tsy ho makiana. Ao ihany koa ny riboflavine izay mahasalama ny hoditra, ny molotra sy ny lela. Ny acide pantothénique kosa dia manavao ireo sela amin’ny hoditra.

Manampy amin’ny fitazomana ny lanja sy ny habe

Manampy betsaka amin’ny fitazomana ny lanja sy ny habe ny fisotroana ronono sy ny fihinanana vokatra avy amin’ny ronono. Ny protéines laitières hita ao amin’izy ireo tokoa mantsy dia mahavoky mandritra ny fotoana maharitra ka manakana ny fihinanana sakafo anelanelam-potoana. Mila hoanina amin’ny antonony kosa nefa ny vokatra avy amin’ny ronono satria mety hampatavy raha toa be loatra ny sotroina.

Lire la suite

Articles Similaires